Efa ao anatin’ny vanim-potoana ny « Fenêtre FIFA” isika izao. Miatrika lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena roa i Madagasikara amin’izany.
Efa any Marôc ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Ny alarobia 11 oktobra lasa teo, nanomboka nanao fanazarantena tao amin’ny kianjan’ny Academie Sportive Chabab Marôc, tao Casablanca, izy ireo. Natao hanomanana ireo lalao iraisam-pirenena roa, atao any Marôc, izay tafiditra amin’ny “Fenêtre FIFA” izany.
Ny ampitso 14 oktobra, hifanandrina amin’i Mauritanie ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Ny 17 oktobra ho avy izao, hihaona amin’i Bénin ny Malagasy. Tsiahivina fa tsy afaka hanatrika izany i Kenji Van Boto sy i Adrien Trebel noho ny ratra nahazo azy mirahalahy, araka ny fanazavana nataon-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, Malagasy mpanazatra Barea.
Niantso an-dRakotoarisoa Baggio, Malagasy hirakiraka ao amin’ny klioba Ste Jeanne d’Arc la Réunion, ny Coach Rôrô, hanolo ny toeran’i Trebel. Noho ny fahateren’ny fotoana, tsy afaka niantso mpilalao hafa hisolo an’i Kenji Van Boto izy. Marihina fa anisan’ny lalao entina hanomanana ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” ireo fihaonana ireo.
Efa any an-toerana kosa ireo Malagasy mila ravinahitra toa an-dry Raveloson sy El Hadary.
Aorian’ity fifanandrinana roa ity, mifarana indray ny fitondran’ny Coach Rôrô ny ekipam-pirenena Barea A. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, mpanazatra vonjy maika amin’io lalao roa io, ity Malagasy mpanazatra ity.
Fitia Randria




