Hotontosaina ny 21 sy 22 oktobra ho avy izao ny fifaninanana Jiu-Jitsu Brésilien, karakarain’ny klioban’ny Attila, nampitondrainy ny anarana “Grappling Tournament”. Eny amin’ny Dojo an’ny Esca Antanimena no hanaovana ity fifaninanana ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny klioba mpikarakaraka, manodidina ny 175 eo ny isan’ny mpikatroka handray anjara, izay avy amin’ny klioba 14. Marihana fa misy klioba roa avy any amin’ny faritra handray anjara, izany hoe, avy eto Analamanga avokoa ny klioba 12 hifaninana. Araka ny fandaharam-potoana, efa vita ny sabotsy 14 oktobra lasa teo ny fandanjana ireo mpifaninana. Ny 21 oktobra kosa ny hanaovana ny fifaninanana “Gi’, izany hoe, manao kimono ary ny 22 oktobra ny “no gi”, tsy manao kimono. Nambaran’ny mpikarakara fa avo lenta tokoa ity fifaninanana ity satria hampanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ary hanomanana ihany koa ny fifaninanana iraisam-pirenena handraisan’i Madagasikara anjara. Hampiavaka ity andiany ity ny eo amin’ny lafiny fikarakarana.
Ny mpikaroka eo anivon’ny klioba no mandray an-tanana, raha ny fanazavana fa tsy ny filoha mpitantana.
Mi.Raz




