Mifarana, anio, ilay hetsika « Herinandron’ny Havàtsa-Upem » 2023. Anisan’ny nisongadina teny amin’ny Tranombokim-pirenena ny fivoahana boky. Iray amin’ireny ilay mirakitra ny sanganasan’i Loloniala.
Nandritra ny «Herinandron’ny Havàtsa-Upem» 2023 no nanehoan’i Loloniala Anna Raherimanantsoa-Rakotomahandry (solonanarana : Loloniala) ny fivoahan’ny boky «Felan-tatamo : Ny Taniko, ny Teniko, ireo Tiako», mirakitra tononkalo 20. Mizara telo ireo lohahevitra taratra ao anatiny. Ny taniko : manasongadina ny fitiavan-tanindrazana sy hanina ny tany nihaviana, satria, mila ravinahitra any amin’ny Nosy La Réunion ny mpanoratra. Ny teniko : indramana ny tenin’i Di, «Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko». Ireo tiako : miompana amin’ireo namolavolan’ny ray aman-dreny an’i Loloniala, mandalo amin’ny andefimandriny, ny zanany ary ireo namany.
Tanjon’i Loloniala ny hanaitra sy hanampy ny hafa amin’izay manandrify azy. Haneho hevitra amin’ny maha olom-pirenena. Fitarihana ny olona handinika ny tontolo manodidina, ny fiarahamonina. Fanandratana ny soatoavina, ny kanto sy ny fahendrena raiketiny…
Hanatanteraka dingana maro
Satria, ampahan’ny asa soratr’i Loloniala voarakitra ao anatin’ny «Ny Taniko, ny Teniko, ireo Tiako», hisy ny famoahana io boky io amin’ny endriny feno. Famoahana boky momba ny tontolon’ny kabary eo anivon’ny kolontsaina sy fiarahamonina any amin’ ny Nosy La Réunion. Famoahana boky momba ny atin-damba, ao amin’ny Nosy La Réunion ihany. Amin’ny maha mpitsabo azy, hamoaka boky momba ny homamiadana mpahazo ny vehivavy izy. Hanatanteraka ny kaoferansy momba ny «alzheimer» ny 27 novambra izao…
Fantatra fa mpikabary ao amin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany, sady mpampianatra teny malagasy no mpikambana ao amin’ny Zara Teny sy Kanto Malagasy koa i Loloniala.
HaRy Razafindrakoto




