« Ventson’ny Be Art » : Mifandrary ny kanton’i KaMi sy Zongo Bilaky

Manome sehatra hisongadinan’ny fahasamihafan’ny fomba fanehoan’ny mpanakanto ny sanganasany ny Tokotany Be Malagasy. Anisany ny fampirantiana mandeha ao, amin’izao fotoana.

Mpanakanto marolafy roa, samy manana ny aingam-panahiny, samy manana ny fironany eo amin’ny famoahana izany ho zavakanto ihany koa. Ny itovian’i KaMi sy i Zongo Blaky dia izay fitiavana mizara kanto izay. Noho izay ihany koa no nampiarahana azy ireo anatin’ilay fampirantiana «Ven­tson’ny Be Art», izay mandeha amin’izao fotoana, etsy amin’ny Ivontoerana Tokotany Be Malagasy Besarety. Mpi­sehatra amin’ny kanto marolafy, havanana amin’ny hosodoko, ny graffiti, ny fampiasana akora mbola azo ahodina i KaMi. Toraka izany koa i Zongo Bilaky, sady mpitendry no artista manodina akora tsy miasa intsony ho zavakanto. Mifandrary ny kanto foronin’izy ireo ka manome ilay feo iombonana: mitantara, mampieritreritra, manaitra ary ma­nova fomba fijery. Izay rahateo ilay ventso, ventson’ny ara­be, «Ventson’ny Be Art»…
Tsy toeram-pampirantiana fotsiny fa sehatra velona ho an’ny kanto sy ny kolontsaina ny fisian’ny ivontoerana hanehoana asa tanana mpanakanto etsy Besarety. Dingana iray hi­zorana amin’ny fananganana ny TBM Cultural & Deve­lop­ment Center, iray amin’ireo ivontoeran’ny hetsika TBM amin’ny hoavy ny fisian’ny toerana.
Niforona tamin’ny taona 2023 ny Tokontany Be Mala­gasy. Niainga tamin’ny vina hoe tsy ao ambanin’ny tany ihany ny harenan’i Madagasi­kara, fa eo ihany koa ny talenta sy ny fitiavana ary nofinofin’ny vahoaka. Tanjona ny ha­nohanana ny talenta sy hampivondronana olona maro hanao zavatra ho an’ny firenena. Mikendry fampivelarana ny tanindrazana amin’ny alalan’ny talenta sy ny olona ao aminy ny Tokotany Be Mala­gasy ihany koa.

Zo ny Aina

Partager sur: