Famendrahana odimoka : olona maherin’ny 600 000 ho voaaro

Hafafy eny amin’ny rindrina amin’ny tokantrano maherin’ny 165 000 ny fanafody mamono moka amin’ity taona ity. Hotanterahina mandritra ny volana novambra manontolo izany amin’ny distrika ara-pahasalamana 5, izay nahitana trangana tazomoka betsaka.
Olona maherin’ny 600 000 no ho voaaro amin’ny aretina tazomoka amin’ity ezaka ity. Anisan’izany ireo vehivavy mitondra vohoka miisa 14 000 sy zaza latsaky ny dimy taona miisa 84 000.
Eo ambany fitantanan’ny USAID ny asa ary hentitra ny fomba anarahana ny fitsipika momba ny tontolo iainana mandritra ny famendrahana. Tamin’ny alalan’ny tetikasa “PMI Evolve” no ahafahana manantanteraka izany.
Anisan’ny zava-baovao mandritra ity hetsika famendrahana 2023 ity ny fampidirana famonoana moka vaovao mba hampihenana ny mety hisian’ny moka ho lasa mahatohitra ny fanafody ary hiaro tsara kokoa ny vahoaka amin’ny tazomoka.
Tamin’ity taona 2023 ity dia nihemotra i Madagasikara tamin’ny fifehezana ny tazomoka, izay midika fa ilaina ny fepetra fisorohana mahery vaika toy ny famendrahana fanafody sy ny fizarana lay misy odimoka.
Araka ny angon-kevitra natao tamin’ny taona 2022, dia ny distrika ara-pahasalamana Iakora, Ivohibe, Isandra, Taolagnaro ary Ankazoabo Atsimo no hisitraka ny hetsika IRS.

Tatiana A

Partager sur: