Niasa amin’ny faritra enina eto Madagasikara ny International Youth Alliance For Family Planning (IYAFP) nanomboka ny taona 2016. Efa-taona taty aoriana no nosantarina ny asa ao Boeny.
Mifototra amin’ny fanomezana lanja ny hisitrahan’ny ankizy ny fandrindram-piterahana ny asa indraiketany sy manao adisisika amin’ny fampahafantarana ny lalàna momba ny fandrindram-piterahana laharana 2017-043. Voafaritry ny lalàna fa afaka mahazo tolotra fandrindram-piterahana araka ny safidiny ny ankizy sy ny tanora tsy misy fetran-taona sy tsy mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny ray aman-dreny. Araka ny fanadihadian’ny mpikambana ao amin’ny IYAFP teny anivon’ny fiarahamonina, 13 taona no manomboka miditra amin’ny firaisana ara-nofo ny ankizy aty Mahajanga ary 15 taona no mitondra vohoka voalohany ny ankamaroan’ireo zatovovavy. Antony ny fitiavana andrakandrana sy ny tsy fahampian’ny fahalalana momba ny fiarovana amin’ny vohoka tsy irina. Tsy misy koa ny fifampiresahana amin’ny ray aman-dreny noho ny tahotra sy ny henatra, hoy ny mpikambana iray, Randrianarison Gael. Izay no nisarika ny fikambanana hiara-hiasa amin’ny sekoly ao Mahajanga an-tampon-tanàna sy any amin’ny kaominina Belobaka (Mahajanga II). Mampahafantatra ny fisian’ny lalàna momba ny fandrindram-piterahana any an-dakilasy ny mpikambana izay tanora mitovy amin’ireo mpianatra ihany. Manentana momba ny fitondran-tena tomponandraikitra ihany koa satria misy fiantraikany amin’ny ho avy ny fitondrana vohoka aloha loatra ka tsy ahafahana manohy ny fianarana intsony. Sekoly telo (niantefa amin’ny mpianatra 400 eo ho eo) aloha no voaentana sy nifanakalo hevitra tamin’ny mpikambana. Mahatsapa izy ireo fa mahaliana ny mpianatra ny fananahana ara-pahasalamana ka tokony ho anisan’ny taranja any an-tsekoly. Efa misy ny fampahafantarana fa tsy voaresaka mazava sy lalina ka eny amin’ny tambazotra sy ny amin’ny namany no maka vaovao ny ankizy, hoy ny point focal-n’ny IYAFP ho an’ny faritra Boeny, Djaanfar Tassmyat.
Vonjy A.




