Mbola maro ny sampam-pianarana tsy nahavita ny taom-pianarana 2022-2023 eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Ny hamerina ny fampianarana sy hamarana ny taom-pianarana no laharam-pahamehana izao, hoy ny Mesupres.
Nampiantso fivoriana maika niarahana tamin’ny filohan’ny oniversite, ny Pr Ravelomanana Mamy Raoul, sy ireo sojabe ary ireo lehiben’ny sampam-pianarana rehetra ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), Pr Assoumacou Elia Béatrice, ny alatsinainy teo.
Natao izany hitadiavam-bahaolana amin’ny fikatsoan’ ny fampianarana eny amin’ny oniversite vokatry ny fitokonan’ny Seces sampana Antananarivo. Eo koa ny mbola tsy fahavitan’ny taom-pianarana 2022-2023 amin’ireo sampam-pianarana vitsivitsy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Nanao tatitra ny isaky ny fakiolte. Sampam-pianarana 6 amin’ny 10 no efa miandry fidirana, 2 mamarana ny faran’ny volana izao ary 2 kosa no mbola manohy hatramin’ny faran’ny taona.
Laharam-pahamehana ny firosoana ho amin’ny famitana ny taom-pianarana.
Nampahatsiahivina nandritra io fotoana io ireo teboka voalazan’ny lalàna momba ny mpiasam-panjakana sy ny andraikitry ny mpampianatra mpikaroka. Nohamafisina ny fanentanana sy fampahatsiahivana hatrany ny andraikitra maha mpampianatra amin’ny tsirairay.
Nomena toromarika ny rehetra amin’ny hampitana ny vaovao momba ireo ezaka efa vitan’ny fanjakana tamin’ny famaliana ireo teboka maro amin’ny fitakiana na dia misy aza ireo mbola eo andalam-pikarakarana.
Etsy andaniny, mbola manohy ny fitokonany ny Seces ary hanao fivoriambe indray anio. Namaly ny taratasy avy amin’ny filoha mitantana vonjimaika ny firenena mikasika ny fanapahana ny karaman’ireo mpitari-tolona ihany koa ny Seces ary milaza fa tsy ara-dalàna izany. Tsy mbola nandray anjara tamin’ny grevin’ny mpanohitra ihany koa izy ireo.
Tatiana A




