Anjerimanontolo: nizarana aroloha ireo mpianatra

Fanentanana ireo tanora mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo mikasika ny arolozan’ny fifamoivoizana amin’ny fitondrana kodiaran-droa no nataon’ny ATT, ny alarobia teo.
Amin’ny maha tanora ireo mpianatra, dia naompana tamin’ireo zavatra tsara hofantatra momba ny fitaovam-pitaterana be mpampiasa ny fanentanana.
Lohahevitra fototra novoizina tamin’izany ny mikasika ny “fampiasana aroloha, miaro aina”. Maherin’ny 1 000 ireo mpianatra izay nisoratra anarana mialoha fa hanatrika ny fanentanana, avy amin’ny lalam-piofanana haisoratra sy ny siansa maha olona, DEGS, Agro, Médecine, Sciences, ary ny Polytechnique teny Vontovorona.
Noezahana mba ho hafatra tsotra, mafonja anefa maha­liana ny tanora no nampitaina.
Mpianatra maherin’ny 500 araka izany no notolorana aroloha taorian’ny fihofanana. Avy amin’ny oniversiten’Anta­nanarivo sy Soavinandriana Itasy izy ireo.
Tsotra ny fomba nahafahana nisitraka ny aroloha. Nasaina nisoratra anarana tany amin’ny lalam-piofanana misy azy ny mpianatra tsi­rairay. Nanaraka fiofanana mahakasika ny fitandremana sy fiarovana amin’ny lozam-pifamoivoizana teny anivon’ny lalam-piofanana izay misy azy avy tsirairay.
Maro ireo mpianatra nahafeno ny fepetra ka nisitraka ity fanomezana avy amin’ny ATT ity.

Tatiana A

Partager sur: