Ny taona 2020 no nanomboka niasa mitety trano i rasazy Sarah Damo Hanitriniaina, SPO (rasazy mandeha irery) rehefa voaray niasa tao amin’ny Marie Stopes Madagascar, manentana ny olona amin’ny fandrindram-piterahana maimaimpoana. Tamin’ny voalohany, efa zatra tsindrona ny olona ka sarotra ny nanentanana azy ireo amin’ny fanafody fanabeazana aizana implanon asisika amin’ny sandry miaro mandritra ny telo taona. Tsy tokony hampiasaina ny tanana mandritra ny telo andro voalohany aorian’ny fametrahana ny fanafody ka tsy afaka miasa aloha ilay vehivavy. Ny mpanely tsaho koa mahazo vahana ary izy ireny no tena henoin’ireo mponina, hoy ny fanazavany. Resy lahatra ihany ny zatovovavy sy ny vehivavy rehefa tonga matetika rasazy manao adisisika.
Amin’ny ankapobeny, mametraka implanon 72, sy DIU 12 izy mandritra ny volana iray ary mitety vohitra maro. Ny fanafody miaro maharitra no atao satria mandeha any amin’ny toerana lavitra izy ka ity karazany roa ity no mety isorohana ny fivezivezen’ireo vehivavy any amin’ny CSB matetika. Ny lehilahy tandroy no tena tsy nazoto manao ny fanafody asisika amin’ny sandry noho ny tsy fahampian’ny fanazavana matotra azony. Tovovavy 14 taona ny zandriny indrindra noraisin-drasazy an-tanana amin’ny fampiterahana sy ny fandrindram-piterahana. Olana sedrainy ny tsy fandriampahalemana rehefa mandeha an-tongotra lavitra satria ao Mahajanga II ny faritra iasany.
Vonjy




