Tovovavy efatra, 16 ka hatramin’ny 19 taona, samy monina ao Marovoay an-tampon-tanàna no nanambara fa efa manao fandrindram-piterahana, amin’izao fotoana izao. Mbola mpianatra avokoa izy efatra mirahavavy, araka ny fanadihadiana natao tany an-toerana. Santionany anatin’ny maro ireo azo itarafana ny zava-misy ao anatin’ny kaominina. 17 taona no nitondra vohoka i Mamie ary mbola mpianatra izy tamin’izany fotoana izany.Nanambady izy ary ilay vadiny no nandrisika azy hiteraka. Nilaozany anefa izy rehefa tonga ny zaza. Manao fanabeazana aizana mitsindrona isaky ny telo volana izy izao satria tsy te hiteraka intsony fa hamita fianarana. Tsy ampy mihitsy ny vaovao momba ny fananahana ara-pahasalamana any an-dakilasy satria ny taranja Science de la vie et de la terre fotsiny no iresahana ny fananahana ary manjavozavo ny fanazavana sady tsy miditra lalina, hoy izy. Efa voadona aho vao nahalala fa azo atao ny misoroka ny vohoka tsy nirina, araka ny nambarany ihany. Ny reniny no nanoro fa tokony hanatona ny rasazy Tatienne Faliharisoa Wina izy hisafidy fanafody fandrindram-piterahana raha mbola te hanohy fianarana. 19 taona izy izao.
15 taona avokoa izy efatra mirahavavy no nanao firaisana voalohany ary samy manana ny safidiny amin’ny fanafody ampiasainy. Implanon miaro mandritra ny telo taona hatramin’ny DIU misoroka vohoka mandritra ny 10 taona. Tsy sarotiny ny ray aman-dreny ary mandrisika amin’ny hiarovan’izy ireo amin’ny vohoka tsy nirina satria mbola samy mpianatra avokoa.
Vonjy A.




