Anatin’ny vanim-potoan’ny pesta ny eto Madagasikara. Tranga nampivarahontsana no niseho tao amin’ny kaominina Ankazovelo.Valo no maty, telo mbola manaraka fitsaboana.
Misy trangan’aretina pesta ao amin’ny fokontany Ankazomanga, Voanagna ary Manatotsikora, samy ao amin’ny kaominina Ankazovelo, araka ny antso avy any Ankazovelo, ny 14 novambra lasa teo. Nidina tany an-toerana ny tomponandraikitry ny filaminana ao Midongy Atsimo, notarihin’ny lefitry ny distrika, ny zandary sy ireo mpiandraikitra ny fahasalamana. Misy olona telo efa niditra hopitaly ao amin’ny CSB Ankazovelo : lehilahy 40 taona, vehivavy 38 taona, ary olona iray 48 taona, samy monina ao Voanagna. Olona valo no maty, ka ny iray amin’izy ireo maty tany amin’ny hopitaly, ny sisa kosa maty tany an-tokantranony avokoa. 32 taona monina ao Ankazomanga ny voalohany, maty ny 5 novambra lasa teo, 35 taona monina ao Ankazomanga, maty ny ampitson’io. Olona 27 taona monina ao Ankazomanga ny fahatelo, maty ny 7 novambra, lehilahy 52 taona monina ao Manatotsikora namoy ny ainy ny 13 novambra.
Olona efatra maty ny 14 novambra
Lehilahy roa 30 taona sy 56 taona, samy monina ao Voanagna, ny fahadimy sy fahenina maty ny 14 novambra. Olona fahafito tao amin’io faritra io ihany, 56 taona maty ny 14 novambra ary farany, olona 25 taona, mipetraka ao an-toerana koa maty ny 14 novambra. Soritraretina pesta aretin-tratra avokoa ireo tranga ireo raha ny fizahana nataon’ny tomponandraikitry ny fahasalamana teny ifotony. Nasaina namonjy hopitaly avokoa ireo misy soritraretina sy ireo mahatsapa tsy fahasalamana rehetra. Nohazavaina tamin’ izy ireo ny fahasarotan’ny pesta aretin-tratra raha tsy voatsabo ara-potoana sy ny fomba fifindrany. Maimaimpoana rahateo ny fandraisana an-tanana eny amin’ny CSB sy ny hopitaly rehetra.
Nalevina avy hatrany tsy atao amin’ny fasan-drazana ireo maty fa hanamboarana lavaka manokana ary tsy iaretan-tory toy ny fanao mahazatra.
Manomboka ny volana jolay ka hatramin’ny avrily ny vanim-potoana mampirongatra ny aretina pesta eto amintsika. Ny volana marsa no efa nanomboka ny asa rehetra hiatrehina ny aretina pesta eo anivon’ny minisitera. Efa nihena ny tranga, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka satria teo aloha 400 isan-taona ny tranga voamarina. Olana, araka ny nambarany, ny tomponandraikitra tsy mahalala ny tokony hatao rehefa miseho ny valanaretina. Faritra efatra no matetika ahitana tranga ary efa arahi-maso akaiky.
Vonjy




