Fakafaka: Mihatakona ny kilalao malagasy

 

Vitsy ary tena zara raha misy sisa ny mahafantatra sy mahay ary mahafehy ny karazana kilalao malagasy. Mihavery izany ankehitriny noho ny antony maro. Anisany ny firoboroboan’ny haitao ara-kajy mirindra sy ny teknolojia ary ny fanatontoloana. Eo ihany koa ny tsy fampahafantarana azy ho an’ny taranaka aty aoriana. Ivontoerana ara-kolontsaina iray ao anatin’ny telo no mampahafantatra amin’ny antsipiriany izany kilalao malagasy izany. Raha ho an’ny eny anivon’ny fiarahamonina indray, vitsy ny ray aman-dreny mampahafantatra izany kilalao izany ny ankizy sy ny tanora ka roboka ho azy amin’ny kilalao entin’ny fandrosoan’ny haitao sy ny teknolojia izy ireny.
Manampy sy mamolavola ny ankizy tsirairay hiatrika ny fiainany any aoriana anefa ny kilalao fahiny. Izany no nahatonga ny Malagasy nahavita niatrika antsakany sy andavany ny fiainana na tsy nandia fianarana ambony aza. Raisina, ohatra, ny fanorona, izay mamolavola ny ankizy hanana paikady hoentiny miatrika fiainana. Ny katro, izay natao hamolavola ny ankizy ho amin’ny fahaiza-mitantana. Nampisy fihavanana sy firaisan-kina teo amin’ireo ankizy nilalao azy ihany koa izy ireny.
Anisan’ny kolontsaina iray very, araka izany, izao fihenan-danjan’ny kilalao malagasy izao. Mikolo ny saina ihany koa mantsy izy ireny ankoatra ny maha fialamboly azy. Tafiditra ao anatin’ny pitsopitsony nahasimba ny fiarahamonina izany satria mihena ilay mpikolo ny saina. Lasa fifaninanana be fahatany fotsiny no voizin’ny kilalao ankehitriny, indrindra ireo nentin’ny vahiny, fa tsy mikolo ny saina intsony.
Fitsaboana tokony hampiasaina amin’izao fiarahamonina malagasy mihasimba izao, araka izany, ny famerenana sy fampahafantarana ny ankizy sy ny tanora ireny kilalao nampiavaka antsika Malagasy ireny.

Lin

Partager sur: