Tafatsangana ny drafi-panarenana ny orinasa Madagascar Airlines manoloana ny olana goavana sedrainy sy ny fatiantoka aman-tapitrisa maro eo anivon’ny kaompania. Nofoanana avokoa ny sidina iraisam-pirenena sahanin’ny Madagascar Airlines noho ny tsy fahafahany hiantoka ny zotra sy ny olana samihafa sedrain’ ny kaompania. Manoloana izany natsangana ny drafi-panarenana ny orinasa, « Phoenix 2030 » iandrasana fankatoavana amin’ny tomponandraikitra. Tanjona ny […]
Mois : novembre 2023
VAOVAO TAMBATRA
Nijery ny asa fanamboaran-dalana ao an-tampon-tanànan’i Sainte Marie, ny governoran’ny faritra Analanjirofo, ny fitantanam-paritry ny asa vaventy, ny herinandro lasa teo. Mandroso ny asa ahitana ampahan-dalana miisa telo, mirefy 9 km, 24 m ary 17 km, voakasiky ny tetikasa Pic III. Natao ny 31 oktobra teo ny atrikasa hamolavolana ny […]
Orinasa Smmec: masoivoho fahafito ny eny Anosimasina Itaosy
Miezaka manakaiky ny mpikambana hatrany ny orinasa Smmec. Misokatra ny masoivoho vaovao, fahafito, eny Anosimasina Itaosy, mitondra ny anarana hoe « masoivoho Smmec Fanavotana ». Misahana ny mpikambana eny Itaosy, Ampitatafika, Imerintsiatosika, Tanjombato, Andoharanofotsy ary Alasora. Toy ny any amin’ny masoivoho manerana ny Nosy, azo sitrahana ao amin’ny Smmec Fanavotana ny tolotra rehetra, toy […]
Banky iraisam-pirenena: hiantraika any amin’ny solika sy ny sakafo ny ady any Moyen Orient
Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena fa hiteraka krizy ara-toekarena goavana amin’ny lafiny sakafo sy ny angovo ny ady any Moyen Orient, ifanaovan’i Israely sy i Palestinina. Hanampy trotraka ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine ny ady eo amin’ny israeliana sy ny palestiniana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Commodity Markets Outlook, […]
TARATRY ny KANTO
Mitohy ny fihodinan’ny tarika Baobab, any Eoropa. Efa nahavita seho am-polony hatrany Italia, Suisse ary mbola mitohy ao France amin’izao fotoana izao ny tarika Baobab. Manana daty telo misesy ry Haingo sy ny tariny amin’ity faran’ny herinandro ity, ary mbola hitohy izany. Ny famelomana ireo hira tsy tontan’ny ela, tsy […]




