FIHARIANA MAKAMBA : nampidi-bola 15 miliara Ar

Tafakatra hatrany amin’ny 15 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana tamin’ny alalan’ny jono makamba nandritra ny taona 2023 raha manodidina ny 2,9 lavitrisa Ar izany tamin’ny taon-dasa sy talohan’izay. “Manampy betsaka tamin’ny fahazoana izao vokatra izao ny fanavaozana natao nanomboka tamin’ny taona 2021 izay nifantoka tamin’ny fanaraha-maso ny isan’ireo sambo sy ny fanatsarana ny fitantanana ny fari-panjonoana” , hoy ny tale jeneralin’ny Jono, Bemanaja Étienne. Notohizany fa natsaraina ny tamberim-bidy sy ny fandraisan’anjaran’ireo orinasa vaventy mpitrandraka makamba amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fanampiana ny mpanjono madinika.
Aondrana avokoa ny 90%n’ny makamba, eo amin’ny 3 600 taonina isan-taona raha amidy eto amin’ny tsena anatiny kosa ny ambiny amin’ny vidiny manodidina ny 20 000Ar – 25 000Ar eo ny kilao.
Mampiasa sambo 43 isa ireo mpanjono vaventy makamba eto Madagasikara. Misy koa ireo mpanangom-bokatra mandeha irery eo amin’ny 60 isa raha toa ka 39 ireo orinasa mpanangom-bokatra. Tsiahivina fa nikatona nanomboka omaly ka hatramin’ny 29 febroary 2024 izao ny taom-pajonoana makamba manerana ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Manana herinandro, nanomboka ny 30 novambra ka hatramin’ny 8 desambra hanambarana ny tahiry ananany eny anivon’ny tomponandraikitra voakasik’ireo mpisehatra rehetra. Misy araka izany ny sazy ho an’ireo minia mandika ny lalàna apetraka.

Henintsoa Hani

Partager sur: