Pam sy Minae : ankizy 240 000 hisakafo any an-tsekoly

Manohana ny famokarana ambanivohitra ny Banky iraisam-pirenena. Mampitombo ny fahavitrihan’ny mpamokatra ny fahitana lalam-barotra. Anisan’izany ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Pam.

Natao sonia omaly, ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Fandaharanasa iraisam-pirenena mikasika ny sakafo (Pam). Tafiditra ao anatin’ny Tetikasa hiatrehana ny lafiny ara-tsakafo ho an’ny tapany atsimo sy atsinanan’i Afrika (FSRP) ity fifanarahana ity, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena. Mitentina 40 tapitrisa dolara ny tetibola ampiasaina izay haharitra hatramin’ny taona 2026.

Mifantoka amin’ny fanomezana sakafo ny mpianatra miisa 240 000 any amin’ny sekoly miisa 800 ny tetikasa, any amin’ny faritra sivy (Ano­sy, Androy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Fitovi­nany, Vatovavy, Analamanga, Vakinankaratra, Itasy),

Nilaza ny minisitry ny Minae, Ramilison Harifidy, fa ankoatra ny fanomezana sa­kafo an-tsekoly ny mpianatra, mampiavaka ity tetikasa ity koa ny fividianana ny vokatra eny an-toerana. Izany hoe, lasa hazoto hianatra ny ankizy, sady hitombo ny fidiram-bolan’ny ray aman-dreny sy ny tantsaha any ifotony. Hi­tondra fampandrosoana ara-toekarena any ifotony izany, sady vao mainka hazoto hianatra ny mpianatra, ka hitondra fivoarana eo amin’ny fanabeazana any ifotony.

Lalam-barotra ho an’ny tantsaha
Nanamafy izany ny solontena maharitry ny Pam eto Ma­dagasikara, Rtoa Pas­qualina Di Sirio, nilazany fa tanjon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Pam, ny fanovana maharitra amin’ny lafiny ara-tsakafo ho an’ny ankizy any an-tsekoly. Sady fanohanana ny tantsaha mpamokatra ma­dinika hahita lalam-barotra. Miisa 20 000 ny tantsaha hisitraka izany.
Tafiditra ao anatin’ny fiatrehan’ny mponina any amin’ny faritra sy eto amin’ny firenena ny fiovan’ny toetr’andro rahateo izany.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: