TARATRY ny KANTO

Mitohy ny ady hiragasy. Hifandona etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, rahampitso alahady manomboka amin’ny 10 roa maraina, ry Razoanibe Anivo­rano sy ry Valson Mahasolo. Marina fa samy tropy tsy mbola malaza, saingy manan-ko zaraina avokoa izy ireo, manana paikady vaovao hampitiavana ny hiragasy ka mendrika ny hiakatra kianja, indrindra fa maimaimpoana hatrany ny fidirana.
« Feo telo miavaka sy hatsikana an-kira ». Tan­terahina anio, eny amin’ny Annexe Le Zoma Antaninan­dro, ny fampisehoana “Feo telo miavaka sy hatsikana an-kira”, iarahana amin’ny René sy Ony, Hery Vaika sy Diary, Michela la Voix d’Or, Andry Naik’s, Kal ary Aina Maha­ravo. Rindrankira larona hatsikana no handravaka ity fampisehoana ity.
Bolo. Ifanome fotoana eny amin’ny Kudéta Anosy indray ireo mpankafy ny hira sy ny kanton’i Bolo, anio, ao anatin’ilay fampisehoana nampitondraina ny lohateny hoe “Ravitoto”. Ho re mandritra ity fampisehoana ity ireo hira nanamarika ny naha mpahay kanto mpihira an’i Bolo. Anisan’izany ny Ravitoto, Doudou, Sima sy ny maro samihafa.
IFM Analakely. Haikanto maroloko no handrafitra ny fandaharam-potoanan’ny IFM Analakely amin’ity anio ity. Samy hahazo ny anjarany avokoa ny sokajin-taona rehetra. Hisy ny “Contes sous les Arcades”, hetsika fitantarana angano, iarahana amin’i Rakemba. Misy ihany koa ny « Scène Slam », iarahana amin’ny Madagaslam ny tola­kandro.

Partager sur: