MPIANAKA NALAINA AN-KERINY/ Natakalo 40 tapitrisa Ariary

Avotra teny amin’ny mpaka an-keriny ireo mpianaka, tao Maha­velona Anka­zo­be. Voalaza fa nandoa volabe ny fianakaviana. Misy milaza fa 20 000 000 Ar, misy miteny fa 40 000 000 Ar.

Navotsotry ny mpaka an-keriny omaly hariva, ny mpianaka, nisy naka an-keriny tao Ambohitram­bany, kaominina Mahavelona, distrik’Ankazobe, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Voalaza fa tany an-Tam­ponketsa, akaikin’Anjozorobe izany no nanaovana ny fifanakalozana, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fianakaviana. Manamarina ny vaovao tamin’ny famotsorana azy ireo kosa ny ben’ny Tanàna, Mamisoa Nordine, sy ny lehiben’ny zandary ao Mahavelona.
Miovaova anefa ny sora-bola voalaza fa naloan’ny fianakaviana nanavotana ireo takalon’aina.
“Raha 70 tapitrisa Ariary no nangatahan’ny jiolahy tany am-boalohany, dia nihena an-dalana izany. Nidina ho 50 na 60 tapitrisa ary mety 40 tapitrisa no niafaran’ny ady varotra na nilaza aza ny fianakaviana fa tsy mahazaka izany. Izy ireo rahateo tsy mety nifampirahara tamin’ny manam-pahefana fa mandeha irery amin’ny fanavotana ny havany”, hoy ny loharanom-baovaon’ny ga­zety. “Mbola anatin’ny famotorana tanteraka ny zandarimaria aty an-toerana. Tsy misy ny azo ambara”, hoy hatrany ny loharanom-baovaonay azo an-telefaonina halina.

Mihorohoro

Marihina fa nisy ny fidinana ifotony, nataon’ny mpanao gazetin’ny Taratra, tany an-toerana, omaly, nanao fanadihadia momba ny resaka fakana an-keriny na ny Kidnap­ping.
“Mihorohoro sy mitaintaina ny mponina any amin’ny fo­kontany maro ao anatin’ny kaominina Mahavelona, tao anatin’ity taona ity”, hoy ny fitarainan’ny vahoaka. “Na­nombohan’ny jiolahy ny asa ratsiny ny fakana ny ombinay tety an-tanàna. Nivadika ho fakana an-keriny olona kosa izany tao anatin’ny roa volana izay », hoy hatrany izy ireo.
Nitrangana fakana an-keriny indroa nisesy tamin’ny tanàna roa, ao anatin’ny fokontany Volaniray, ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Mahavelona, distrikan’ An­kazobe, tao anatin’ny roa volana izay. “Fokontany 19 no hiadidin’ny kaominina Am­banivohitra Mahavelona. La­sibatra matetika amin’ny fakana an-keriny avokoa ny fokontany 13 amin’ireo”, hoy hatrany ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Nisehoana trangana fakana an-keriny faharoa ny tao amin’ny tanànan’ Ambo­hitrambany, ao anatin’ny fo­kontany Volaniray, ny 2 de­sambra lasa teo.
Tamin’ny volana novambra lasa teo ny fanafihana mitam-piadiana voalohany, nataon’ireo dahalo am-polony teo amin’io tanàna io. Nirefotra ny basy tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Olona 7 avy amin’ny fianakaviana roa samihafa nalain’ny malaso an-keriny. Nahitana vehivavy lehibe efatra sy ankizy iray teo amin’ny 12 taona ary andrimasom-pokonolona roa. “Na­haritra 10 andro ny fitazonan’ny dahalo azy ireo tany ankodahoda ary tsy maintsy naloa ny vola takalon’aina vao navotsotra izy ireo”, hoy i Tovo, anisan’ny babo, raha nijo­ro vavolombelona. Tsy hita ny fomba anarahan-dia azy ireo satria tsy misy diany na dia te hanaraka aza ny fokonolona sy ny zandary. “Mi­andry antso avy amin’ireo olon-dratsy amin’ny findain’ny azo babo no hany sisa azo atao”, hoy ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Nahatratra hatramin’ny 70 tapitrisa Ariary ny vola notakin’ny dahalo tamin’ny havan’ny olona nalaina an-keriny. Nihena ho 7 tapitrisa izany taorian’ny fifanarahana.

Matory any an-tsaha
Matory an-tsaha hatrany ny zaza amam-behivavy noho ny tahotra amin’ny fakàna an-keriny mahazo ny mponina any an-toerana. Mandositra hatramin’ny 5 km miala ny tanàna mihitsy izy ireo mba ho fiarovan-tena. “Manomboka amin’ny 5 ora hariva hatramin’ny 3 ora maraina ny fotoana hiafenan’izy ireo”, hoy ny sefo fokontany iray any an-toerana. Mihevitra ireo mponina fa misy naman’ireo dahalo ihany eo an-tanàna ka mahatonga izao asa ratsy izao. Ary efa miezaka mamantatra sy mikaroka izany izy ireo, raha ny fanazavana.

Nohamafisina ny fiambenana
Misy amin’ny ankamaroan’ny mpianatra no mandeha an-tongotra 3 hatramin’ny 4 km miala ny kaominina. Nihamahamay hatrany ny trangana tsy fandriampahalemana hatramin’izao. Efa betsaka ireo mponina niala ny tanàna mihitsy. Misy ny mitsoaka aty an-drenivohitra. Ankoatra izay, mivory isan-kerinandro ny eo anivon’ny kaominina sy ny fokontany ary ny mpitandro ny filaminana. Mba handaminana sy hitadiavana vahaolana momba ny tranga no anton’izany. Miambina hatrany, isaky ny alina, kosa ireo vatan-dehilahy (andrimasom-pokonolona) eo amin’ny tanàna. Miambina vavalalana manomboka amin’ny 5 ora hariva mba hiarovana ny ain’ny mponina. Miditra ny tanàna ireo dahalo ireo manomboka amin’ny 6 ora hariva. “Indraindray ary tsy mihidy akory ny vavalalana dia efa tafiditra ao an-tanàna izy ireo”, hoy hatrany izy. Naroso amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 4 ora maraina  kosa ny « couvre-feu » eny anivon’ny fokontany, raha ny nambaran’ny sefo fokontany. Misy fitsi-pifehezana iraisan’ny fokontany. Tsy maintsy misora-bahiny avokoa ny olona iray tonga miditra eny an-toerana. Manatitra ny karapanondrony ary ampahafantariny ny olona eo an-tanàna. Manao “passe-port” kosa izy rehefa hiala ny tanàna. Miverina eny anivon’ny fokontany avy hatrany kosa izy ireo.

Miangavy ny hampitomboana ny zandary ny mponina

Tonga isan’andro, miditra an-tanàna ireo dahalo. Efa mandray andraikitra mano­loana ny tranga ny lehiben’ny zandary sy ny ekipany eo anivon’ny Poste avancé Anto­lojanahary, any an-toerana.
«Tonga miambina miaraka amin’ireo vatan-dehilahy eny an-toerana izy ireo hanam­piana sy hiarovana ny ain’ny olona”, hoy ny sefo fokontany any an-toerana. Nilaza ireo mponina fa tsy ampy ny zandary raha oharina amin’ireo dahalo manafika ny tanàna. Manodidina ny 10 ireo zan­dary raikitra, 4 ireo miaramila mampandry tany, raha ny tatitra voaray tamin’ny tomponandraikitry ny zandary. Hetahe­tan’ny mponina ny hanasiana zandary 5 na 6 farahafakeliny isaky ny renivohitry ny fokontany. 4 na 3 kosa isaky ny tanàna mba hiarovana ireo mponina. Miangavy ny mponina mba hanampiana ireo mpitandro ny filaminana. Ankoa­tra izay, ny andefasana zandary hanatevin-daharana any an-toerana.
Anisan’ny mampitaintaina ny mponina ny mety ho fahalasanan’ny zandary, raha ny fanazavana hatrany. “Manai­tra ny fanjakana izy ireo mba hijery sy hamaha ny olan’izy ireo satria marary sy mijaly ny olona any an-toerana noho ny tsy fandriampahalemana”, hoy hatrany ny ben’ny Tanànan’ny kaominina, Mamisoa Nordine. Nohamafisiny fa ao anatin’ny maitsoahitra isika izao ka tsy ampy ny fiveloman’ny olona no sady mbola tsy matory ihany koa izy ireo amin’ny alina. Efa maro ny fitarainana natao teny anivon’ny fitondram-panjakana, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Miantso ny eo anivon’ny zandary avy hatrany ny olona rehefa mahatazana ireo dahalo eny antampon-kavoana, izay mitondra jiro. « Midina mijery ny zava-misy avy hatrany ny mpitandro ny filaminana nefa miverin-dalana ny dahalo rehefa maheno izany», hoy ny mponina nanaovana fanadihadiana. Nilaza izy ireo fa efa tazana eny ambony avaratra ny fiavian’ireo jiolahy rehefa miambina. Raha sanatria ka tafiditra alohan’ny fahatongavan’ny zandary ny dahalo. Efa voaambina ny vavalalana rehetra miditra ny tanàna ka tsy afa-manoatra ny mpitandro filaminana, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Sompitr’i Mahitsy sy Antananarivo

Asa fiveloman’ny mponina ny fambolena sy fiompiana. Anisan’izany, ny voly vary, tongolo, voatabia. Tafiditra ao anatin’ny sompitry ny famo­karam-bary any an-toerana ny fokontany nahitana ireo tanàna roa voatafika. Mamoaka vary hatramin’ny 200 taonina isan-kerinandro ny kaominina amin’ ny ankapobeny. Manomboka eo amin’ny fiantombohan’ny volana avrily hatramin’ny
volana jolay izany. Mamatsy mankany Mahitsy sy Antana­narivo. Misy ihany koa ireo olona mitahiry vary. Ankoatra izay, mamoaka vary ihany koa ny kaominina amin’ny fotoanan’ny fahavaratra. Miakatra kely ny vidim-bary ankehitriny ; manodidina ny 1700 Ar ny kilaon’ny vary akotry amin’ izao fotoana izao.
Marihina fa 63 km miala eo Mahitsy no ahitana an’Anka­zobe. 37 km eo kosa ny any amin’ny kaominina Ambani­vohitra Mahatazana.

Mandeha tsy an-kijanona ny dian’ny dahalo

“Mandeha tsy an-kijanona mandritra ny alina, matory kosa amin’ny atoandro ny dahalo sy ireo olona nalain’izy ireo an-keriny”, hoy ny tovo­lahy iray, azo babo tamin’ny fakana an-keriny voalohany. Ny alin’ny novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora sasany alina. Niditra ary niparitaka nanerana ny tanàna avy hatrany ireo dahalo manodi­dina ny 30 lahy. “Avy nisakafo hariva izahay, ary nihaino hiram-pivavahana tao an-trano, no indro niditra tam­poka tao an-tokantranonay ireo dahalo 10 lahy”, hoy i Tovo, iray tamin’ireo nalain’ny jiolahy an-keriny, nijoro vavolombelona. “Niala ny tanàna avy hatrany izahay rehefa azo avokoa ireo olona tian’izy ireo alaina”, hoy hatrany izy. Ni­laza izy fa midaroka sy mandaka ireo dahalo ireo rehefa maheno fa misy zandary manatevin-daharana tonga ao an-tanàna. Ankoatra izay, tsy maintsy mandoa vola ihany koa ny havana vao avotsotra ireo babo. 7 tapitrisa Ariary ny vola nifanarahan’ny roa tonta ka naterina tany amin’ny toerana tsy fantatra ny vola. Telo ireo fianakaviana nanatitra izany tany amin’ireo dahalo. Mbola nanafatra toaka sy fahana tamin’ny mpanatitra vola ihany koa ireo dahalo, raha ny fanazavana hatrany. Tsy nisy nisaron-tava ireo dahalo ireo, nandritra izany ary samy afaka avy eo. Noha­mafisiny fa voaambina tanteraka ireo olona nalaina an-keriny ary tsy afaka mandositra satria rahonan’izy ireo hotifirina raha manao fihetsika hafahafa. “Tsy niasana saina loatra ny zava-nitranga satria lasa manimba saina”, hoy hatrany izy. Nitomany sy ni­taintaina hatrany ny fianakaviana nandritra ny fotoana nitazoman’ny jiolahy azy ireo. Tsy fantatra mihitsy ny toe­rana nitondran’izy ireo an’ireo olona nalaina an-keriny.
1 andro sy 1 alina nandeha an-tongotra izy ireo vao tonga teny amin’ny tanàna Ambohi­drano, fokontany Volaniray. Nilaza ny mbola hiverina ny jiolahy raha ny siosion-dresaky ny mponina.

Nanatontosa : Mino
Sary : Fanou

Partager sur: