Mpahay kanto anisan’ny tena vao misandratra mihitsy Razafimandimby Tiana Fameno Jordan Leonandro na Fameno. Zazalahy anisan’ny nambabo ny fon’ny maro nandritra ilay fifaninan-kira « La voix d’or », ny taona 2021. Efa manomboka miditra tsikelikely eo amin’ny sehatry ny matihanina i Fameno ankehitriny, ary ny hira fiderana no nofidiny iangalina sy hitondrana ny talenta sy fahaiza-manaony. Nanambara izy fa tsy hiala amin’ny hira evanjelika ary safidiny manokana ny hanao hira fiderana an’Andriamanitra sy hampahafantatra amin’ny rehetra ny hasarobidin’ny ray aman-dreny. Ankoatra ny famoronana, misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra eo amin’ny mozika, manana ny maha izy azy.
Efa tsikaritry ny ray aman-dreniny hatramin’ny fahakeliny ny fananan’i Fameno talenta, eo amin’ny fihirana. Izany indrindra no nanosika ireo ray aman-dreniny hampandray anjara azy amin’ny fifaninanan-kira. Fahombiazana ho an’ity talenta vaon’ny hira evanjelika ity ny fifaninanana natrehany, ny taona 2021, na dia tsy nahazo ny laharana voalohany aza izy. Nitohy ny dia taorian’io, niezaka namorona sy niantsa ny hirany manokana amin’izay i Fameno. Efa maro ny hira re eny anivon’ny onjam-peo. Anisan’izany ny “Andao hidera”, “Maman à moi”, “Tsara”, “Manaiky” …. Manana vina ny handeha lavitra eo amin’ny sehatry ny mozika i Fameno. Mbola vonona ny hanohana azy hatrany koa ny ankohonany.
Lin