Raytra Belaw’Yck, eny Andohalo. Hatsikana amin’ny endriny maroloko indray no hatolotr’ity mpanakanto mpampiala voly ity, anio manomboka amin’ny 7 ora alina, eny amin’ny Haka Fy Authentic Restaurant Andohalo. Seho azy manokana, toy ny efa nahafantaran’ny maro azy no homaniny, ary maimaimpoana izany ho an’ireo mitady fialamboly hafa.
Mamy Bastah – Le Meeting. Ao amin’ny Extra Pizza Manakambahiny no misy ity toeram-pialamboly vaovao ity. Hanafana ny toerana anio, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro i Mami Bastah, tonga manokana eto Antananarivo. Hizara ireo hira vokatry ny tany sy ny tandonaka ho an’ireo mpankafy azy hatramin’izay izy, miaraka amin’ny gitara sy ny farara.
Silo hihira SDF. Efa tonga an-tanindrazana i Silo, taorian’ny fivoahana izay nanaovany seho vitsivitsy tany Frantsa. Avy hatrany dia manome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny Piment Café Behoririka ity mpanakanto kalaza ity, anio alina. Tsy hanao ny sanganasany azy manokana fotsiny anefa izy, fa hamerina indray ireo hira niarahany tamin’ny tarika SDF mandritra izany
Cie Zolobe ao amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Sehatra misokatra ho an’ny karazan-kanto sy ny mpanakanto rehetra tokoa ny ao. Mandalo eto Antananarivo, ka hisehatra ao amin’ny La Teinturerie ny Compagnie Zolobe, anio, manomboka amin’ny 8 ora. Ny mozika, dihy ary ny « marionettes géants » no tena nahafantarana ireto mpanakanto avy any Antsiranana ireto.