Vaky Boky : tonga eto amintsika ny fampirantiana « Lire donne des Ailes »

Anisan’ny mitaiza sy manabe ankizy ny boky. Mahaliana kokoa anefa izany raha misy ny sary, izany indrindra no nahatonga ny tomponandraikitry ny “Lire donne des Ailes” hanatontosa ity hetsika ho fandavorariana ny fanabeazana ity.

Tanterahina eny amin’ny Institut français de Ma­dagascar (IFM Anala­kely), manomboka anio hatramin’ny 13 janoary 2024, ny fampirantiana « Lire donne des Ailes », karakarain’ny IFM miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Fam­pirantiana anisan’ny goavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, hanasongadinana ny vaky boky sy ny hosodoko, miaraka amin’ny mpahay kanto sy mpanoratra maro avy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina sy avy any Frantsa. Haikanto 42 isa, avy amina mpanakanto 11, samy manana ny maha izy azy, no handravaka izany hetsika izany.
Anjaran’ny eto Madaga­sikara indray ny mandray ny fampirantiana « Lire donne des Ailes ». Raha toa ka efa nandalo tao La Réunion, ny volana oktobra 2023 izy ity. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny hetsika, tanjona ny haneho ny lafitsaran’ny boky, eo ihany koa ny fitaomana ny olona hankafy izany, amin’ny alalan’ireo sary hosodoko sy boky, mba hamorona tahakan’ny andiana vorona, izay vonona ny haninjitra ny elany hitsangana, handositra, handinika sy hahatsapa fihetseham-po voasoratra amin’ny taratasy.
Anisan’ny sangany sy manana ny maha izy azy amin’ny fanoratana boky sy fanaovana tantara an-tsary ireto mpahay kanto haneho ny sanganasany ireto. Ahitana an’i Julie Bernard, Joëlle Be­tsey Maestracci, Katty Laguet­te Labour, Judith Gueyfier, izay mpahay kanto samy avy eto amin’ny ranomasimbe indianina. Mandray anjara mavitrika amin’izany koa i Henry Koombes, Mary- des-ailes, Modeste Madoré, Jo­han­na Medvey, Sébastien Pelon, Emmanuelle Tchou­kriel ary Gabrielle Wiehe.

Lin

Partager sur: