Mbola misy dingana maromaro. Nodinihina fanindroany, omaly, tetsy amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ny tolo-dalàna faha-002-2022, mahakasika ny “refonte de la loi N°94-036 sur la propriété littéraire et artistique”. Ny solombavambahoaka sady mpanakanto Rahasimanana Paul Bert na i Rossy no nanolotra izany, taorian’ny fiheverany fa tokony hitondrana fanovana ny lalàna mahakasika ny zon’ny mpamorona.
Nitondra fanovana miisa 14 ny Antenimierandoholona, nandritra ny fandalovan’io lalàna io teny Anosy. Niteraka adihevitra kosa ny andininy faha-129, satria tsy neken’ireo solombavambahoaka ny fanitsiana nataon’ny loholona. Mahakasika ny tokony hanaovana ny Ofisy misahana ny zon’ny mpamorona na ny Omda amin’izao, ho rafi-panjakana tsy miankina izany. Nanolo-kevitra kosa ny governemanta, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, amin’ny fahafahan’ny mpamorona mivondrona ka afaka manangana orinasa misahana ny zon’ny mpamorona, izay tsy miankina amin’ny fanjakana, toa ny fahita any ivelany. Nanaraka ny sosokevitr’ireo teknisianina ireo loholona, raha toa ka tsy nanaiky kosa fa mitana ny heviny ihany ireo solombavambahoaka miaradia amin’i Rossy.
Araka izany, haverina any amin’ny Antenimerandoholona indray ity tolo-dalàna ity, ka miandry ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny ao Anosikely, amin’io taona ho avy io. Aorian’izay ny fiverenany eny amin’ny Antenimierampirenena, ka ho hita eo ny tohiny.
Randria.




