Nitrangana firehetana tao amina garazy iray eny Alakamisy Fenoarivo, afakomaly alina. Fiara Sprinter iray kila hotohoton’ny afo. Tsy nisy noraisina intsony ity fiara levona tao anaty afo ity. Tsy mbola fantatra mazava izay antony nahatonga ny firehetana fa niainga avy ao amin’ity fiara Sprinter ity ny afo. Misy fiara maromaro mipetraka ao amin’ity garazy ity ka misy mpiambina izany. Ny mpiambina rahateo nilaza ho tsy mahafantatra na inona na inona fa ny afo efa nijoalajoala no nahataitra azy ireo. Teo vao nampilaza tamin’ireo olona manana fiara mipetraka ao amin’ilay garazy. Sarotra ny famonoana ny afo satria haingana ny firehetana ka nahazo ny vatan’ny fiara iray manontolo. Tonga tao amin’ilay garazy ireo tompona fiara sasany ka samy niezaka nanakisaka ny fiara mba tsy hihitaran’ny afo. Ireo olona teo an-tanàna no niezaka nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo. Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo. Ny fitaovana nisy teo am-pelatanana no nentina namonoana ny afo, araka ny fanazavan’ireo tompona fiara mipetraka ao amin’io garazy io. Manahy ireo tompona fiara sasany fa ahina ho ankasomparana ny ambadik’izao raharaha izao, saingy ny valin’ny fanadihadiana no mamaritra ny marina rehetra momba ity firehetana ity. Na teo aza anefa izany, tsy nisy kosa ny naratra na aina nafoy.
J.C