Saron’ny polisy ny dahalo iray malaza ratsy amin’ny fanafihana sy fitazomana basy sy odiratsy tao Vohilava Andranomadio, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alatsinainy teo. Teo am-pisavana ireo taksiborosy amin’ny zotra nasionaly mampitohy an’Antananarivo sy Tsiroanomandidy no nahatrarana ity dahalo ity niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo. Teo am-pisavana ny fiara, nampiahiahy ny fihetsiny ka nahatonga ny polisy niroso tamin’ny fisavana. Nosavaina ny entany ka basy sy mohara ary bala maromaro no hita tao. Nosamborina avy hatrany izy ka nentina nanaovana famotorana. Nilaza izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa fanaony ny mitondra fitaovam-piadiana toy izao. Voalaza fa misy dahalo mpiray tsikombakomba aminy izay nahazoany ireto fitaovam-piadiana ireto. Eo am-pikarohana ireo dahalo mpiray tendro aminy ireo ny mpitandro filaminana. Hatolotra ny fampanoavana ity malaso ity aorian’ny famotorana.
J.C