Andranomanelatra – Antsirabe: Kamiaobe nahatrarana rongony 50 kitapo

Saron’ny zandary misahana ny fifamoivoizana An­tsirabe tao Andranomanelatra, omaly, ireo rongony 50 kitapo, milanja 488 kg. Niainga avy any Ankily, Ihosy ireto entana ireo ka voasakan’ny zandary tao Mahandraza Andranoma­nelatra, Antsirabe II (RN7 PK 147). Nafangaro tamin’ny gony an-jatony misy eladrano (mica) ireto zava-mahadomelina 50 gony ireto. Notsindrina sy nafenina tsara tao amba­nin’ireo gony misy eladrano. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha anefa ny zandary momba ny fisian’ity kamiaobe mitondra rongony ity ka nandrasana fotsiny sisa ny nandalovany tao Antsirabe. Nogiazana am-balam-pamonjana ity kamiaobe ity sy ireo entana voarara nentiny. No­tazonina hanaovana fanadihadiana koa ireo olona efatra tao anatiny niaraka tamin’ny mpamily. Tafaporitsaka tampoka anefa ny mpamilin’ilay ka­miaobe, araka ny tatitra voaray avy amin’ny zandary. Mbola ifampitadiavana izy hatramin’izao. Nanamafy ny zandary fa zava-doza ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina toy izao eny anivon’ny fiarahamonina, satria manimba ireo tanora. Lasa miankindoha ka mitarika tsy fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina izany. Tsy maintsy ahitana zava-mahadomelina avokoa ny ankamaroan’ireo jiolahy tratra manao ny asa ratsiny, raha ny tatitra nampitain’ny zandary hatrany. Mangataka tolo-tanana ho fiaraha-mientana hamongorana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ny zandarimaria.

J.C

Partager sur: