Antsapanimahazo : naterim-badiny tany amin’ny zandary ny basy

Nivoaka tao amin’ny adina mpivady ny marina rehetra momba ny fisiana basy tsy ara-dalàna notazomim-badiny tao Antsapanimahazo, afakomaly. Nifamaly izy mivady ka niafara tamin’ny daroka sy ny fifampikasihan-tanana izany. Tsika­ritr’ilay renim-pianakaviana ho hafahafa mitovy amin’ny basy anefa ny fonosan-javatra tao anaty lamba namelesany azy. Nampandre haingana ny zandary ilay ramatoa sady nanome toromarika mba hikarohana io zavatra mampiahiahy io. Namonjy tsena isan-kerinandro io rangahy io ka nokarohan-dramatoa tao ny trano. Hitany tany amin’ny valin-drihana ny fitaovam-piadiana mahery vaika izay voalaza fa tsy nifampieran’izy mivady ny nitazonana izany. Basy poleta iray sy bala iray 9 mm ary tranom-pahana iray no hita tao anaty fonosana. Tsy misy taratasy ity fitaovam-piadiana ity ka nentin’ny zan­dary. Tsy mbola niverina tao an-tranony kosa io vadiny io ka namoahana filazana fikarohana.

J.C

Partager sur: