Tapitra teo amin’ny manasa-dalana ny dian’ny Malagasy, amin’ny lalao an’olon-droa miaraka, “double”, nandritra ny fifaninanana “ ITF/CAT Southern African Championships 2024”, sokajy junior. Hanomboka anio kosa ny lalao ho an’ireo ekipa. Nihintsana teo amin’ny lalao manasa-dalana, Raharinjanahary Chrystella, vehivavy mpilalao tenisy, omaly. Lavon’ireo vehivavy zimbaboey, i Kuzivaishe Chapepa sy i […]
Mois : janvier 2024
Tsy fifandanjana ara-bola : nihoatra ny 6 400 miliara Ar ny banga
Nihoatra ny tetibidin’ny entana nafarana avy any ivelany ny saran’ny naondrana. Araka ny antontan’isa navoakan’ny Sampandraharahan’ny ladoany (DGD), nitentina 6 438,8 miliara Ar ny banga, amin’ny tsy fifandanjana ara-barotra ho an’i Madagasikara, nanomboka ny janoary hatramin’ny novambra 2023 teo. Nahatratra 12 915 miliara Ar ny sandan’ny entana naondrana any ivelany, […]
MEF : boky mirakitra ny fitantanam-bola
Nivoaka ny boky mirakitra ny tetibola sy ny fitanatanambolam-panjakana. Mampahafantatra ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF), fa azon’ny besinimaro fantarina ny antontam-baovao mahakasika ny tontolon’ny tetibola. Anisan’izany ny tetibola ho an’ny daholobe, ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny torolalana ny fomba famakiana azy. Tsy misy sarany ireo boky […]
Vary lo any Toamasina : Pakistaney roa hatao famotorana
Taorian’ny tany Mahajanga, nisy vary tanaty kaontenera telo koa tratra tany Toamasina. Tsy mbola nisy ny Malagasy tompon’andraikitra ambony voarohirohy. Naharay vaovao ny zandary eto Toamasina, fa misy ny tambajotra mikirakira vary lo, ny alatsinainy 8 janoary teo. Nihetsika avy hatrany izy ireo, ka natao ny fanarahan-dia tany amin’ny lalam-pirenena […]
INDRAY MIJERY
Efa mihodina ny “Centrale solaire” ao Marovoay. Misitraka izany ny vahoaka ao an-toerana ankehitriny. Ny volana jolay 2023 no nanombohana ny asa fametrahana ireo Panneaux solaires ary ny 05 desambra lasa teo ny Réception technique. Mamokatra herinaratra 500kWC io ivontoerana io. Nampahafantatra ny CHUSSPA fa efa tonga ny karazam-baksiny avy […]




