Mois : janvier 2024

Aretin’ny taovam-pisefoana: maro ireo zaza latsaky ny telo volana miditra hopitaly

Mirongatra ny aretin’ny taovam-pi­sefoana eo amin’ny zaza, raha ny za­va-misy eny anivon’ny hopitalin-jazakely sy eny amin’ny tobim-pa­hasalamana tsy miankina nanaovana fanadihadiana. Mahazo vahana indray, indrindra ny otrikaretina antsoina hoe “bronchiolite”. Isan-taona sy amin’ny andro fahavaratra, manodidina ny 10 isan’andro eo ny zaza entina manatona toeram-pitsaboana. Ankehitriny, tafakatra avo sasaka izany […]

VAOVAO TAMBATRA

Hitohy ny asa fanohanana ara-bola sy ara-teknika ny mpandraharaha eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Fihariana. Misy ny lamina apetraka entina hanatanterahina izany sy hijerena ireo asa mila fanarenana ao anatin’ireo efa vita sy mivaingana. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tontolon’ny fandraharahana. Nanomboka omaly ny atrikasa ho fankatoavana […]

Tao anatin’ny 10 volana : nahatratra 370 510 taonina ny vary nafarana

Nahatratra 370 510 taonina ny vary nafarantsika tao anatin’ ny 10 volana voalohan’ny taona 2023. Nihena izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 599 603t ny taona 2022, nandritra io vanim-po­toana io. Izany hoe, fihenana manodidina ny 229 093t, ara­ka ny tatitra navoakan’ny mpa­nara-maso ny vary (ODR). Anisan’ny nampiakatra ny taham-pamokarana ny fiakaran’ny […]

Fanadiovan-tsaina

  Somary nitsahatra kely ny orana. Manomboka miakatra ny hafanana. Mbola miparitaka ny fako na efa manao izay ho afany aza ny mpanadio. Angaredona niady amin’ny loto no azo nilazana azy. Tena nanao rodobe hatramin’ny vazaha aza nanome kamiaobe Manomboka hita fa misinda tsikelikely ny tendrombohitra fako, nameno ny tanàna. […]

Tetikasa APEMBA: hampiroboroboina ny famokarana eto Madagasikara

Hampitomboina ny famokarana apemba sy voanjo ary bajiry eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny tetikasa “Apemba ». Hisy ny fikarohana manokana hijerena ny fanatanterahana izany sy ho an’ny fanodinam-bokatra ho tombontsoan’ny tantsaha. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny governementa amerikanina “Feed the future” ny tetikasa “Agricultural Project for en­hancing Sorghum, Milet and Peanuts business Activity […]