FANTINA sy FINTINA

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fanomezana alalana ny minisiteran’ny Fitsarana hampiasa tetibola ahazoana mandray mpianatra ho mpirakidraharaha 250 sy mpianatra ho mpitsara 150 ao amin’ny Sekolim-pirenena manofana ho mpitsara sy ho mpirakidraharaha (ENMG), taona 2024.

Noraisina, nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo, ny didim-panjakana manendry an-dRa­manana Fanomezantsoa Alain, ho Tale jeneralin’ny Institut national de la décentralisation et du développement local (INDDL). Lehibe ary maro ny andraikitra miandry azy, araka ny paikadin’ny minisitera sy ny vinan’ny filoham-pirenena. Anisan’izany ny fanofanana ny olom-boafidy eny ifotony.

Mbola voatendry indray ho “Préfet de Police”-n’Antananarivo ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 21 febroary 2024, teny Iavoloha, no nandraisana ny didim-panjakana mahakasika izany. Tsiahivina fa efa nanomboka ny taona 2017 no niandraiketany io toerana io.

Nosamborin’ny zandary teny Mahamasina, ny filohan’ny Antenimieran’ny raiamandreny ara-drazana sy ny fomba malagasy (ARFM), taorian’ny valandresaka na­taony tamin’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny hetsika kasain’izy ireo hatao ny sabotsy izao. Nentina eny amin’ny tobin’ny zandary Ankadilalana izy, taorian’ny fisamborana.

Partager sur: