Tambajotran-jiolahy: dimy lahy voasambotry ny polisy

Dimy lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Ampari­hingidro, Mahajanga, afakomaly. Naha­ray fitarainana ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo ny mponina ao Am­borovy, Ambondrona hatrany Ampa­rihingidro. Nanao fisafoana alina ny UIR ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitsoaka avy hatrany ireto farany rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fitifirana, voa teo amin’ny tongony ny iray tamin’ireo mpangalatra. Azo sambo-belona avokoa izy dimy lahy.

Tsiferana R.

Partager sur: