Trafikana olona : Afrikanina roa lahy naiditra eny Tsiafahy

Tratran’ny polisy tetsy 67 ha ny telo lahy, mpanondrana olona antsokosoko any ivelany. Notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy ireo, rehefa nohenoin’ny fampanoavana.

Voasambotra teny amin’ny faritry ny 67 ha ny teratany Ganeanina roa lahy sy ny Malagasy iray namany. Mpanondrana olona antsokosoko hiasa any ivelany izy ireo. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ireto farany, tamin’ny herinandro lasa. Lasibatra ny vehivavy roa nahita tolotr’asa nataona sampandraharaha mpandefa mpiasa any Maorisy.
Roboka izy mirahavavy, ny faran’ny taona 2023. Nanolotra vola mitetina 4 000 000 Ar avy tamin’ireo Ganeanina. Nan­deha niasa tany Maorisy tokoa ny vehivavy iray. Nentin’ny iray tamin’ireo lehilahy saingy nanao asa tsy nifanaraka tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ireo Afri­ka­nina roa lahy ireo. Nangataka hitodi-doha aty an-tanindrazana ilay vehivavy, sivy andro niasana tany an-toerana. Nomen’ilay Gane­anina fanafody fampatoriana. Nanam­parany ny filan-dratsiny taorian’izay. Nahare ny fahavoazan’ny namany ilay vehivavy iray tavela taty Mada­ga­sikara. Nitaky ny vola efa naloany izy.

Antsasa-bola
Tsy namerina afa-tsy 2 000 000 Ar tamin’ilay vehivavy tsy lasa tany am-pita ireo Afri­kanina roa lahy. Na­me­traka fitoriana teny anivon’ny bi­raon’ny polisy ilay vehivavy lasibatry ny fisolokiana sy fisandohana. Nanao ny fikarohana ny mpitandro filaminana. Tratra tao 67 ha ireo olona telo voatondro, ny 10 febroary 2024.
Malagasy ny iray, Ganeanina ny roa lahy namany. Efa mpandefa olona antsokosoko miasa any ivelany izy telo lahy ireto, araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy azy. Malagasy miisa dimy sy Ganeanina telo no efa naondran’izy ireo any Mao­risy. Niakatra fampanoavana izy telo lahy ka izao niafara amin’ny fitazomana azy ireo vonjimaika any Tsiafahy izao.

Tsiferana R.

Partager sur: