Lehilahy iray maty an-drano teny Anosimanjaka, afakomaly. Nanao vary niaraka tamin’ny fianakaviany izy no nivadika tampoka ny lakana. Taizan’aretina anefa ny lehilahy ka nitarika ny fahafatesany rehefa izy rendrika tao anaty rano.
Saron’ny mpitandro filaminana ny rongony 60 kg tao Ambondromasina, kaominina Ambodisakoana, distrikan’i Boriziny, ny 20 febroary teo. Namonjy ny tompon’ireo entana ireo tao Ambalafaminty ny zandary saingy nitsoaka nandositra ireo olona ireo rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana.