“Misy ny hira tambatra. Tsy toy ny mahazatra ny fomba fisehoana eny an-tsehatra sy nandaharana ny hira. Haharitra adiny telo ny fampisehoana. Maro ireo mpankafy nangataka mba hanatanterahina seho amin’ny toerana tahaka ity CCI Ivato ity. Raha ny taona, efa azo lazaina ho zoky ihany, satria, hankalaza ny faha-25 taonany amin’ny taona 2026 ny tarika AmbondronA”, hoy i Beranto nandritra ny fampahafantarana ity seho santatry ny taona 2024 ity. Tamin’ny ankapobeny, nanaraka io voalaza io ilay seho notanterahina omaly. Nirona kokoa tany amin’ny famerenana ireo sanganasany tany ambadiky ny 10 sy 15 taona taona ny tolotra teny an-tsehatra. Namaly ny hetahetan’ny mpijery tonga teny an-toerana rahateo izany.
Taorian’ity teny Ivato ity, hanatanteraka seho manodidina ny Renivohitra ny tarika. Anisan’izany ny eny Imerintsiatosika. Handray anjara amin’ny “Fetsival Tsika Jiaby” any ivelan’ny Nosy ihany koa ry zareo.
Fantatra fa efa manomana ny vokatra manaraka ny tarika AmbondronA, raha ny taona 2021 no namoahan-dry zareo ny rakikirany farany.
HaRy Razafindrakoto