FANTINA sy FINTINA

Tsy misy tokony hiadian-kevitra intsony ny “Raharaha Gemfields”, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta, Rakotondrazafy Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Raharaha nahavoasaringotra ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha, Andrianarisoa Romy Voos. Tsy misy idiran’ny filohan’ny Repoblika ny raharaha, ary diso ny ahiahin’ny mpanohitra ny amin’izany.

« Efa maro ireo fananana tsy ara-dalàna eo am-pelantanan’ny ARAI amin’izao fotoana. Manodidina ny 500 mahery ireo kaonty amin’ny banky voageja, izay misy vola ao anatiny. Eo koa ny tany, ny fiarakodia…”, hoy Rasoloarimanana Aimé, talen’ny ARAI. Atao lavanty ho an’izay mahasahy ambony indrindra ny fananana voahangona. Arotsaka any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vola azo.

Ho fantatra ny alarobia izao farafahatarany ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS) ho an’ny kaominina tsy misy ben’ny Tanàna. Anisan’izany, ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tokony tsy hisy intsony ny sakana amin’ny fanendrena azy ireo, araka ny lalàna laharana 2014-020 momba ny fananganana delegasiona manokana eo anivon’ny kaominina iray, navoakan’ny fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC).

Fiatrehana ny ady amin’ny kolikoly. Mpanao gazety 4 mianadahy nahazo mari-pankasitrahana mahakasika izany, nandritra ny atrikasa nataon’ny ARAI tetsy Anosy. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny herivelona rehetra ny ARAI, indrindra mahakasika ny harena azo amin’ny tsy ara-dalàna.

Partager sur: