Sombim-baovao

Hotanterahina manomboka ny 3 marsa ho avy izao ny taom-pilalaovana 2023-2024, ho an’ny taranja Rugby. Ho fisantarana izany, hisy ny fiadiana ny amboaran’ny « Super Coupe 2023 ». Ny ekipan’ny FTM Manjakaray, tompondakan’ny “XXL Top 20” sy ny Cosfa, tompon’amboaran’i Madagasikara, no hihaona amin’izany.

Handeha hitety ireo ligim-paritra manerana an’i Madagasikara ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hiresaka sy hifanakalo hevitra amin’ireo ligy, seksiona ary filohana klioba no anton-dian’izy ireo amin’izany. Raha tsy misy ny fiovana, hisy ny fihaonambe nasionaly hatao eto Antananarivo aorian’izany.

Hifarana ny 31 marsa ho avy izao ny fikarakarana sy ny fanavaozana ny taratasim-pilalaovana (licences) ho an’ireo Malagasy mpilalao, taranja tsipy kanetibe. Araka ny fanazavana azo tamin’ny federasiona malagasin’ny taranja tsipy kanetibe, tsy hisy aloha ny fisavana “licence” amin’ny lalao fanokafana, hatao ny 2 marsa ho avy izao.

Partager sur: