Nankalaza ny faha-20 taona nikabariany i Souleman ny faran’ny herinandro teo, teny Antanetibe Mahazaza. “Ny olombelona no harena, tsy hanao hetsika fitadiavam-bola fa hanao asa soa amin’ny sehatra maro”, io ny teny filamatry ny fankalazana. Fotoana nifampizarana ireo fahatsiarovan’ny maro azy teo amin’ny lafiny rehetra ihany koa.
Tontosa tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy, afakomaly, ny “Mampiaraka in-35”nokarakarain’ny Faribolana Sandratra. Mbola manakoako ao am-pon’ny maro ny onjam-pifaliana nentin’ny fetin’ny mpifankatia ka antony nanaovana ny hetsika. Nomena sehatra tao ny asa soratry ny mpanoratra efa nodimandry, ny mpamorona eo anivon’ny Faribolana Sandratra… Nampiainana izany ny mpiantsa tononkalo fito mianadahy.
Hotanterahina eto Antananarivo, ny 1 hatramin’ ny 8 marsa izao ny hetsika: “Rallye Moi(s) Théâtre (RMT)”, andiany faha-7. Hetsika karakarain’ny compagnie Miangaly. Tanjona ny hampiroborobo ny teatra, hanasongadinana ny andraikitry ny vehivavy sy ny ankizy. Mifanandrify amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny teatra ny 27 marsa. Hisy ny atrikasa, fihaonambe ary hetsika isan-karazany.
Mitombo isa ny mpanoratra eto Madagasikara ! Na, endrika mety hanary ny hasin’ny soratra, na azo adika ho firoboroboany ihany koa. Toa mandeha ila ihany anefa izany, satria, saika miompana any amin’ny fanoratana tononkalo ny ankamaroany. Tsy ahitana loatra ny karazany hafa tahaka ny tantara foronina, tantara filalao eny an-tsehatra, sns..