Raikitra ny fitetezam-paritra ho an’ny tarika Reko. Nisantarana izany ny fampisehoana notanterahina teto an-drenivohitra, ny faran’ny herinandro teo.
Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-5 taonan’ny tarika Reko. Hanatanteraka fitetezam-paritra maro izy ireo amin’ity taona ity. Natomboka ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny efitrano « Horloge » Gara Soarano, ny « Reko Tour 2024 ». Tsara fanombohana, satria, nanana kalitao raitra ity seho ity. Nahasarika ny maso avy hatrany ny rindra ankapobeny tao amin’ny efitrano sy ny teny an-tsehatra… Tao anatin’ny lamina tsara sy ravaka manintona.
Nisongadina ilay hakanton’ny feo sy ny fahaizana mampiaraka izany. Tafitan’i Fy Rasolofoniaina tsara ireo hafatra anaty tononkira. Lehibe indrindra ny fifankatiavana sy ny fifanampiana ao anatin’ny fiarahamonina. Tsikaritra ho nifanakaiky tokoa ny mpijery sy ny tarika. Nahatsapana fiarahamonina vaovao sy mirindra ny tao anatin’ny efitrano « Horloge », nandritra ny seho.
Hipaka hatrany ivelany
Volana marsa, ho any Antsirabe sy Toamasina ny tarika Reko. Ny avrily, hanatanteraka seho any Foulpointe sy Sainte Marie ary ao Antsahamanitra. Ny volana mey sy jona kosa, hitety an’i Eoropa ry zareo. Ivon’ny fankalazana ny faha-5 taona, hotanterahina eto Antananarivo… Volana desambra, hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina ilay seho lehibe hanakatonana ny « Reko Tour 2024 ». Marihina fa hifanindran-dalana amin’ity hetsika ity ny fanatanterahana ny « Reko Book ». Hetsika hizarana boky ho an’ny ankizy, ho fanampiana sy fandraisan’anjaran’izy ireo amin’ny fanabeazana ny taranaka malagasy.
Raha ny tazana tao amin’ ny efitrano « Horloge » Gara Soarano, ankoatra ny Malagasy, mankafy ny kanto ataon’ny tarika Reko ihany koa ny teratany vahiny.
HaRy Razafindrakoto