Nihena hatrany amin’ny 43,61% ny taham-panafaran’i Madagasikara vary, nandritra ny 11 volana, voalohan’ny taona 2023. Ny volana novambra teo, nihena 12 562 t ny vary nafarantsika raha toa ka manodidina ny 76 817 t izany ny volana novambra 2022. Milanja hatrany amin’ny 114 407 t ny vary nafaran’ny firenena malagasy teo anelanelan’ny volana […]
Mois : février 2024
Mandritra ny taona 2024: tsy tokony hihoatra ny 7,7% ny fiakaran’ny vidim-piainana
Mila paikady mahomby ny fitantanana ny toekerana hisorohana ny fisondrotry ny vidim-piainana, manoloana ny zava-misy maneran-tany. Tsy tokony hihoatra ny 7,7% ny vidim-piainana ho an’ny taona 2024. Mandalo ady sarotra izao tontolo izao manoloana ny ady miseho any Ukraine, Israël ary ao amin’ny Ranomasina Mena izay ahina hiantraika eo amin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatao ny 8 febroary izao, ny fiofanana maimaimpoana miompy trondro, eny amin’ny efitrano malalaky ny minisiteran’ny Jono (MPEB) Ampandrianomby, manomboka amin’ny 8 ora 30 mn. Mahakasika ny fiompiana an-dobo, an-tanimbary, ny sakafon-trondro, ny famokarana zana-trondro tilapia sy karpa ny fotoana. Eo koa ny fitantanana. Miisa 28 000 ny zana-kazo ambolena […]
Lalam-pirenena RN1: nohamafisina ny tetezamby Antanetimboahangy
Ankoatra ny fametrahana tetezamby, misy asa fanampiny ihany koa ataon’ny Fitantanam-paritry ny asa vaventy (DRTP) Itasy, any Antanetimboahangy Analavory, amin’ny lalam-pirenena voalohany, RN1, eo amin’ny PK 104+800, nanomboka omaly 5 febroary. Nohamafisina ny andrin-tany ao ambanin’ilay tetezamby, izay marihina fa arabe nihotsahan’ny rano, vokatry ny orambe. Nametrahana rarihazo sy gonim-pasika, […]
Fanatsarana ny fiompiana: tokony hihoatra ny 10 kilao isan-taona ny fihinanan-kena
Natao, omaly, teny Ampandrianomby, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny kojakojam-piompiana ho an’ny tantsaha. Vola madiodion’ny fanjakana ny nahazoana azy ireo, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Avy amin’ny fiompiana ny 60%-n’ny fidiram-bolan’ny tantsaha eto amintsika. Ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana ny hampiakarana ny famokarana, amin’ny alalan’ny fanohanana ny tantsaha, hanatsarany ny […]




