Voatendry ho tale kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotonirina Elysa. Tale misahana ny raharaha iraisam-pirenena sy mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova. Talen’ny fifandraisana amin’ny vondrom-bahoaka, Rajaonah Mirana ary tale misahana ny hetsika kosa, Ravelonjato Eliah. Nanolotra ny sori-dalana hitantanany ny minisitera sahaniny avy teo amin’ny filankevitry ny minisitra ireo minisitra […]
Mois : février 2024
Antenimierampirenena: tsy hita ny vola 150 tapitrisa Ar
Ampamoaka! Anisan’ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Raholdina Naivo, teny Tsimbazaza, omaly, ny fanjavonan’ny volan’ ity Andrimpanjakana ity. “Nisy nanodinkodina ny vola 150 tapitrisa Ar fahana finday natokana ho an’ireo depiote. Tokony hampiasaina amin’izao telovolana izao izany”, hoy izy. Na izany aza, efa mandeha ny fanadihadiana momba izany, araka ny […]
Ny olona no olana
Miroso tsikelikely amin’ny fametrahana ireo mpikambana handrafitra ny ekipa, hamita ny iraka, ny fiadidiana ny Repoblika sy ny primatiora. Efa mipoitra ireo mpamono baolina, ny irakiraka, indrindra ny mpiandry vodilaharana. Mandeha tsimoramora ny fifantenana. Misy ny ekipa manao be fiavy amin’ny fanesorana sy fanoloana mpilalao. Misy ny tsy taitaitra […]
Fampahafantarana ny PGE : nofaritan’ny Praiminisitra ny 100 andron’ny sosialim-bahoaka
Notanterahina omaly, nanoloana ireo depiote teny Tsimbazaza, ny fampahafantaran’ny Praiminisitra sy ireo mpikamban’ny governemanta ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Niompana bebe kokoa amin’ny sosialim-bahoaka izany. Nasongadiny tamin’izany ny fandaharanasa 100 andro amin’ireo departemanta isanisany. Eo ny loharanon-karena mifototra amin’ ny maha olona, ny ady amin’ ny fahantrana. Ny fandaharanasa, toy […]
TSELATRA
Tovolahy 16 taona voasambotry ny polisin’ny SAG teny Anosibe, omaly. Mpanendaka ireo mpandeha an-tongotra sy mpandeha taxi-be eny amin’ny manodidina ity tratra ity. Niezaka nandositra izy saingy tsy lasa alavitra. Zaza amam-bolana maty voalaza ho lanin’ny voalavo tao Sampanan’Andranovisy, Antsirabe, afakomaly alina. Nisy fifamaliana teo amin’ny ray aman-dreniny, araka ny […]