Antenimierampirenena: tsy hita ny vola 150 tapitrisa Ar

Ampamoaka! Anisan’ny nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Rahol­dina Naivo, teny Tsimbazaza, omaly, ny fanjavonan’ny volan’ ity Andrimpanjakana ity. “Nisy nanodinkodina ny vola 150 tapitrisa Ar fahana finday nato­kana ho an’ireo depiote. To­kony hampiasaina amin’izao telovolana izao izany”, hoy izy. Na izany aza, efa mandeha ny fanadihadiana momba izany, araka ny nambarany. Efa noraisina avokoa ny fepetra rehetra amin’ny mety ho tompon’andraikitra amin’izany. Nialany tsiny kosa ireo depiote tsy mbola nahazo izany fahana finday izany. Nohitsiny kosa anefa ny tsy tokony hampifangaroan’ireo eo anivon’ny sendikan’ny mpiasa eny amin’ny Antenimierampirenena amin’ ny raharaha politika mano­loana izao fanjavonan’ny vola eny Tsimbazaza izao.
Nambarany koa fa mandala ny mangarahara ny tenany ka nisaorany ny praiminisitra sy ny minisitry ny vola fa tanteraka ny fampanantenana ny amin’ny nahazoan’ireo depiote ny volany tamin’ny faran’ny taona teo.
Etsy andaniny, nambarany ampahibemaso nanoloana ireo depiote sy ny mpikambana eo anivon’ny governemanta fa tsy maintsy angataham-panazavana ireo solombavambahoaka tsy tonga niatrika izao fifanetrehana izao. “Mandray ny volam-bahoaka isika ka tsy azo ekena raha tsy misy antony mazava : marary na misy fahoriana na koa mamita iraka amin’ ny alalan’ny Antenimiera ny tsy fahatongavana eto”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: