FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho tale kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotonirina Elysa. Tale misahana ny raharaha iraisam-pirenena sy mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika, Ranoromaro Lova. Talen’ny fifandraisana amin’ny vondrom-bahoaka, Rajaonah Mirana ary tale misahana ny hetsika kosa, Ravelonjato Eliah.

Nanolotra ny sori-dalana hitantanany ny minisitera sahaniny avy teo amin’ny filankevitry ny minisitra ireo minisitra voatondro, afakomaly, teny Iavoloha. Navoitra manokana ireo asa maika tsy maintsy hotanterahina ao anatin’ny 100 andro voalohany.

Handray anjara amin’ny fivoriana ampitain-davitra tsy ara-potoanan’ireo filoham-panjakana eo
anivon’ny Sadc i Madagasikara. Hanomboka anio ny fihaonana ka anisan’ny hodinihina ny kolera mahazo ireo firenena Afrikanina sasany.

“Efa voarara ny fanondranana andramena”, hoy ny filohan’ny RDS, Andrianirina Fetison. Notakiny amin’ny mpitondra ny hampangaraharana ny amin’ireo tomponandraikitra nanondrana izany any Tanzania. “Afaka ny ahiahy amin’izay”, hoy izy.

Partager sur: