Mois : février 2024

Notazonina 10 andro…: votsotra ilay zaza varira nalaina an-keriny

Navotsotr’ireo dahalo mpa­ka an-keriny rehefa no­tazonin’izy ireo nandritra ny 10 andro ilay ankizilahy vari­ra monina ao Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroano­mandidy. Tonga soa aman-tsara eo anivon’ny ankohonany. Ny alin’ny 20 janoary 2024 no nalain’ireo malaso an-keriny izy. Navotsotr’ireo mpaka an-keriny kosa izy omaly rehefa voafehin’ny zandary ny toerana nanafenan’ireo dahalo azy. […]

Fasan’ny Karana : lehilahy nahatrarana sokatra

Naiditra am-ponja eny Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ny lehilahy iray nahatrarana sokatra 50 isa teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Fasan’ny Karana. Tratran’ny polisin’ny CSP5 Mahamasina teny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka amin’ny zotra nasionaly Fasan’ny karana ity lehilahy ity, ny talata 30 janoary lasa teo. Nentin’ny taksiborosy niainga avy […]

Vono olona mahatsiravina: raim-pianakaviana maty voakapa famaky

Lehilahy 39 taona, maty nihosin-dra niharan’ny vono, omaly maraina. Hitan’ny fokonolona nitsirara teo amoron-dalana ny fatiny. Nivoa-dra teo amin’ny lohany! Raim-pianakaviana iray hita faty tao amoron-dalana tao amin’ny fokontany Betaikomby, kao­minina ambanivohitra Maro­tampona, distrikan’i Tsiroa­nomandidy, omaly maraina. Mpandalo handeha hiasa maraina no nahatsikaritra ny vatana mangatsiaka nitsirara tamin’ny tany. Nikoropaka […]