Fasan’ny Karana : lehilahy nahatrarana sokatra

Naiditra am-ponja eny Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ny lehilahy iray nahatrarana sokatra 50 isa teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Fasan’ny Karana. Tratran’ny polisin’ny CSP5 Mahamasina teny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka amin’ny zotra nasionaly Fasan’ny karana ity lehilahy ity, ny talata 30 janoary lasa teo. Nentin’ny taksiborosy niainga avy any amin’ny faritra izy niaraka tamin’ny sakaosy lehibe. Tsikaritry ny polisy fa nampiahiahy ny entana nentin’io lehilahy io ka niroso tamin’ny fisavana avy hatrany izy ireo. Nanaiky nosavaina ny entana ka hita tao ireo zana-tsokatra radiata 50 isa. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Mbola velona avokoa ireo sokatra nandritra ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny tontolo iainana. Nilaza izy nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny polisy fa nokasaina haondrana any ivelany ireto sokatra ireto. Tambajotra goavana mihitsy ireto mpanao trafikana sokatra ireto. Niaiky ny heloka vitany izy ka izao nidoboka am-ponja izao.

J.C

Partager sur: