Navotsotr’ireo dahalo mpaka an-keriny rehefa notazonin’izy ireo nandritra ny 10 andro ilay ankizilahy varira monina ao Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy. Tonga soa aman-tsara eo anivon’ny ankohonany. Ny alin’ny 20 janoary 2024 no nalain’ireo malaso an-keriny izy. Navotsotr’ireo mpaka an-keriny kosa izy omaly rehefa voafehin’ny zandary ny toerana nanafenan’ireo dahalo azy. Tao anatin’izay 10 andro izay, nanao savahao manodidina ny toerana rehetra ahina ho nametrahana azy ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Tsiroanomandidy, notarihin’ny kaomandiny. Vao nahazo filazana tamin’ ny ray aman-dreniny sy ny havan’io ankizy varira io ny zandary dia nametraka ny paikady rehetra hikarohana ireo olon-dratsy tompon’antoka tamin’izany. Tao amin’ny kizo iray ao Betsipolotra, fokontany Marofarihy, kaominina ambanivohitr’Ankerana, Tsiroanomandidy nifanehatra ny zandary sy ireo malaso. Navotsotr’ireo dahalo ity ankizy ity rehefa hitan’ireto farany fa manakaiky azy ireo ny zandary. Lasa nandositra avy hatrany ireo dahalo ka najanon-dry zalahy ilay ankizy nalaina an-keriny. Nentina namonjy dokotera nozahana fahasalamana izy ka tsy nisy ahina ny ainy. Mitohy ny fikarohana ataon’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Tsinjoarivo Imanga ireto dahalo ireo.
J.C




