Mois : février 2024

Tsara fanombohana : nanana kalitao tsara ny « Reko Tour 2024 »

Raikitra ny fitetezam-paritra ho an’ny tarika Reko. Nisantarana izany ny fampisehoana notanterahina teto an-drenivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny fa­namarihana ny faha-5 taonan’ny tarika Reko. Hanatanteraka fitetezam-paritra maro izy ireo amin’ity taona ity. Natomboka ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny efitrano « Horloge » Gara Soa­rano, ny « Reko Tour 2024 ». […]

Fanjifana angovo: mbola maro mpampiasa sy mpanodina eto Madagasikara ny hazo

Miezaka miaro ny ala sy mamboly ha­zo ny tomponandraikitra eto Madagasikara. Mbo­la miantoka ny fanjifana angovo eto an-toerana ny hazo. Manodi­dina ny 92 % amin’izany ny arina fandrehitra. Mbola maivana ny fanjifana angovo hafa eto Madagasikara ary lafo loatra ny herinaratra, tsy takatry ny maro. Tsy mitsaha-mitombo ny fanjifana hazo […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy misy tokony hiadian-kevitra intsony ny “Raharaha Gemfields”, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta, Rakotondrazafy Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Raharaha nahavoasaringotra ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha, Andrianarisoa Romy Voos. Tsy misy idiran’ny filohan’ny Repoblika ny raharaha, ary diso ny ahiahin’ny mpanohitra ny amin’izany. « Efa maro ireo […]

Rakoto Andrianirina Fetison : “Mihemotra tsikelikely ny demokrasia”

“Mihemotra tsikelikely ny demokrasia eto Madaga­si­kara. Mampatahotra izany satria mandroso tsikelikely amin’ny fanjakana manao didiko fe lehibe isika, raha sanatria mitohy izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison, manoloana ny fisamborana ny filohan’ny Anteni­mieran’ny raiamandreny ara-drazana sy ny foko malagasy […]

Mahantra

  Mahatonga hiantra ny hoe mahantra. Ahoana ny ady amin’ny fahantrana amin’izany? Eo amin’ny tsirairay, isan-tokantrano, isam-paritra, isam-pirenena. Tsy afa-bela amin’ny trosa sy fanampiana, ohatra, ny tany mahantra? Na tsy vita ny manapa-kevitra fa mila fahasahiana, fijoroana, fahavononana, fiaretana. Nahoana, ohatra, no hoe manana harena voajanahary tsy hita pesimpesenina na […]