Mois : février 2024

Taranja Tolona: fifaninanana 3 tsy maintsy hatrehina

Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML) ny zoma lasa teo, teny Andohatapenaka, fa telo ireo fifaninanana hatrehin’izy ireo, ho an’ny volana marsa. Ankoatra ny lalao Afrikanina hatao any Ghana, ny faha 8 hatramin’ny faha 23 ny volana ho avy, mbola hisy fihaonana iraisam-pirenena roa, ao anatin’ny fandaharam-potoana. Anisan’izany, […]

“Pureplay Football League” : nisaraka ady sahala ny Uscafoot sy ny Cosfa

Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena «Pureplay Football Lea­gue (PFL)», taranja baolina kitra, diviziona voalohany. Ady sahala, 1 no ho 1, no nisarahan’ny ekipan’ny Uscafoot Analamanga sy ny Cosfa miaramila. Lalao notontosaina teny amin’ny Kianjan’i Ma­hitsy, ny sabotsy teo. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, samy […]

DAKA AN-JORONY: Stop ny mpanao Shopping

Nampivarahontsana an’ireo federasiona hiatrika ny lalao Afrikanina, hatao any Ghana, ny nandre fa nahena araka izay azo atao ny atleta hifaninana. Nitaraina tamin’ity fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ity avokoa ny rehetra. Efa amam-bolana maro ny nanomanana ity lalao faratampony aty Afrika ity saingy izao voafetra izao ny toerana ho an’ny […]

Volley-CCZone 7 : hiditra amin’ny andro fahatelo, anio

Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny klioba, eto amin’ny faritra faha-7, taranja Volley-ball (CCZone 7), andiany faha-28. Nanomboka ny sabotsy lasa teo ny andro voalohany amin’ny fifaninanana CCZone 7, tanterahina eto Madagasikara. Lalao 12 avy hatrany no nitranga tamin’io sabotsy io, izay notsinjaraina tamina kianja 3, […]

Sombim-baovao

Hotanterahina manomboka ny 3 marsa ho avy izao ny taom-pilalaovana 2023-2024, ho an’ny taranja Rugby. Ho fisantarana izany, hisy ny fiadiana ny amboaran’ny « Super Coupe 2023 ». Ny ekipan’ny FTM Manjakaray, tompondakan’ny “XXL Top 20” sy ny Cosfa, tompon’amboaran’i Madagasikara, no hihaona amin’izany. Handeha hitety ireo ligim-paritra manerana an’i Madagasikara ny […]