Mois : février 2024

Tontolo maitso: hambolena hazo 40 000 ha ny faritra 23

Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fampiroboroboana ny fambolen-kazo manerana ny Nosy. Ankehitriny, velaran-tany 19 423 ha no efa voavoly hazo hatramin’ny niandohan’ny taom-pambolen-kazo 2023-2024, izany hoe, 48,56% ny tanjona nofaritana. Tanjona ny hamboly hazo amina velaran-tany 40 000 ha amin’ireo faritra 23, ho an’ity taona ity, raha toa ka amina velarana 75 000 ha […]

VAOVAO TAMBATRA

Maherin’ny 30 000 t ny tahirim-bary nafarana ao Toamasina, hiatrehana ny maitsoahitra. Milanja 25 000 t ireo tahiry ao amin’ny toeram-panatobian’ entan’ny mpandraharaha ara-barotra, raha toa ka eny amin’ny seranan-tsambo kosa ny 7 000 t. Tsy atahorana ny tsy fahampiana eny an-tsena, mandritra io vanim-potoana io. Vonona hanome tanana ny minisiteran’ny Fambolena […]

Orange Madagascar: misokatra ny masoivoho ao Maintirano

Nisokatra tamin’ny talata teo ny masoivoho (agence) voalohan’ny Orange Madagasikara ao Maintirano, faritra Melaky. Eo afovoan-tanàna, akaikin’ny tsena ary tsy lavitr’ireo biraom-panjakana no misy azy, amina velarana 66m2. “Maneho ny hetahetan’ny Orange Madagascar hanakaiky kokoa ny mpanjifany ity masoivoho vaovao ity, amin’ny fanomezana fahafaham-po ny filan’izy ireo”, hoy ny tale […]

Tao anatin’ny 10 taona : miaina ao anaty fahantrana ny 75,2% ny Malagasy

Mitotongana ny fiainan’ny tokantrano malagasy tao anatin’ny folo taona, indrindra ny any ambanivohitra. Mahantra avokoa ny 75,2% amin’ny mponina. Mbola miaina ao anaty fahantrana lalina ny Malagasy. Mahantra avokoa ny 79,9%-n’ny mponina eny ambanivohitra raha toa 55,5% amin’izany ho an’ireo monina an-tanàn-dehibe, araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena, omaly. Tao anatin’ny […]