Mois : février 2024

Vaky fasana : razana 21 voaviraviran’ ny olondratsy

Miseholany ny vaky fasana, lasibatry ny olon-dratsy indray ny fasana iray ao amin’ny fokontany Sadondraza Ambo­hitriombonana, kaominina Fihaonana, afakomaly. Razana miisa 21 noviravirain’ireo tsy mataho-tody. Mpandalo maraina no nahatsikaritra ny fasana efa nisokatra. Niantso ny tompom-pasana sy ny tomponandraikitry ny fokontany avy hatrany izy ireo. Tsy hita tao intsony ny […]

FOLOALINDAHY : namboly zana-kazo 10 000 fototra

Zana-kazo mitotaly 10 000 fototra niampy masomboly 250 kg nambolen’ny Tafika teny Tamponketsa, distrikan’ Ankazobe, omaly. Ho fanatanterahana ny vinan’ny ­Filoham-pirenena amin’ny famerenana an’i Madaga­sikara ho Nosy maitso, nisantatra ny fotoam-pambolen-kazo ho an’ny taona 2024 ny foloalindahy. Tsy adidy fotsiny ihany amin’ny maha olom-pirenena, “fiaraha-mientana amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny […]

Enin-dahy nitam-piadiana : renim-pianakaviana iray voatsatoka antsy

Naratra vokatry ny herisetra nataona jiolahy enin-dahy nanafika, nitam-piadiana, tao aminy ny renim-pianakaviana iray sy ny lehilahy iray tao Anganomasina, distrikan’ Atsimondrano, ny alin’ny alarobia 21 febroary teo. Niditra an-keriny tao an-tsena ireo jiolahy. Norobain’izy ireo avy hatrany ny vola sy ny entana fampiasa andavanandro tao amin’io tranombarotra io. Noleran’ireo […]

“Salon ITM, IHM”: mpitsidika manodidina ny 15 000 no andrasana

Miditra amin’ny andiany fahafolo ny ITM amin’ity taona ity, raha andiany voalohany kosa izany ho an’ny IHM. Mifameno ny tontolon’ny fizahantany sy ny asa tanana ka izany no hanaovana izao hetsika izao. Notanterahina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny “International Tourisme […]

INDRAY MIJERY

Nahazo fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny faritra Diana, Sava, Sofia, Betsi­boka, Bongolava ary ny distrikan’Ankazobe sy Andila­mena ho an’ny anio. Hahazo vahana ny oram-baratra amin’ny tapany avaratry ny Nosy sy ny faritra sasany amin’ny afovoantany ka mety hahatratra 90 mm ao anatin’ny 24 ora ny refiny. Hatao sonia amin’ny herinandro […]