Mois : février 2024

Mercy Ships: hanomboka amin’ny volana marsa ny fifantenana

Araka ny fanazavana nen­tin’ny kaominina Toama­sina, hanomboka amin’ny volana marsa ny fifantenana ireo olona hisitraka ny fandidiana sy fitsaboana ataon’ireo dokotera ao amin’ilay sambo Mercy Ships. Haha­ritra 2 volana eo ho eo ny fifantenana hamaritana ma­zava ny soritraretina sy ny fi­tsaboana tokony hatao. 12 ireo tanàna hanatanterahina ny fisoratana anarana ho an’ireo […]

Andron’ny skotisma : nisongadina ny hetsika sosialy

Nomarihina omaly ny Andron’ny skotisma, fotoana naha­tsiarovana manokana ny olona namorona ity fikambanana maneran-tany ity. Teny amin’ny ANS Ampefiloha no nankalaza izany ny skoto eto Antananarivo, tamin’ny alalan’ny fa­nome­zan-dra sy ny fandraisana fanampiana hozaraina amin’ny sahirana. Mampiavaka ny fanabeazana eo anivon’ny fikambanana ny fanohanana ny mpiara-belona amin’ny he­tsika mipaka any […]

144 voaolana : manamafy ny famosirana ny filohan’ny Repoblika

Mitohy ny fanamafisana ataon’ny filoham-pirenena mahakasika ny famaizana ireo manao fanolanana. Tsy miala maina izay voaporofo fa nahavita izany fa tsy maintsy vosirina. Nanaovan’ny filoha Rajoelina Andry fanamarihana manokana mihitsy, nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanamafisana ny sazy ampiharina amin’ireo olona manao fanolanana, indrindra amin’ny ankizy. Noho ny […]

TARATRY ny KANTO

Eric Tselatra – Piment Café Behoririka. Tsy dia fahita matetika ao amin’ity toeram-pialamboly ity ny mpanakanto hanafana ny sehatra anio. Mandalo an-tanindrazana i Eric Tselatra, hotronin’ireo namany, manomboka amin’ny 8 ora alina. Na toerana kelikely aza, mety amin’ny mozika mavesatra ihany koa, mampifanakaiky ny mpankafy sy ny mpanakanto, ny Piment […]

«71st Miss World Festival»: Voalohany tamin’ny hazakazaka i Antsaly

Ao anatin’ny fifaninanana tanteraka ny mpandray anjara amin’ny «Miss World Festival” andiany faha-71, atao any New Delhi sy Mumbai, Inde. Rajoelina Antsaly no misolo tena an’i Madagasikara amin’ izany fifaninanana lehibe maneran-tany izany. Nisy ny filatroana sy fisehoana an-tsehatra voalohany, omaly. Natao tamin’ny Opening dinner, niaraka tamin’ny fiakanjo nentin-drazana sy […]