Nitondra ny heviny amin’izao volana vitsy mialoha ny fifidianana depiote izao ny eo anivon’ny Vovonana Firaisankina, amin’ny alalan’ny mpitarika ny HVM, Rakotovao Rivo. “Efa hita taratra sahady ny fiandaniana samihafa ataon’ ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony. Tsy maintsy mailo isika antoko ivelan’ny fitondrana fa efa manao ny ataony ry zareo mpitondra”, hoy izy. Nohitsiny fa efa misetrasetra any rehetra any amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana, olom-panjakana, fitaovam-panjakana ireo tomponandraiki-panjakana sasany amin’izao fotoana izao. Mitarika ho any amin’ny tsy fanarahan-dalàna izy ireo, araka ny nambarany. “Efa notakinay ny hiarahana mijery izany saingy tsy nohenoina…”, hoy ihany izy. Nanterin’ny Vovonana Firaisankina fa mahagaga ny tsy mbola hamoahana ny didim-panjakana momba ny fiatrehana ny fifidianana depiote amin’izao efa akaikin’ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina izao. Mila mihazakazaka milamina ny Vovonana Firaisankina manoloana io tetiandrom-pifidianana io. Mafy ny fepetra ary anisan’ny sakana ilay anto-bola 20 tapitrisa Ar ho an’ireo te ho kandidà. “Tsy afa-manoatra ny mpiara-dia sasany na eo aza ny fitiavan-tanindrazana fa mbola ady mafy amin’ny demokrasia ny resa-bola”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny mandrafitra ny Vovonana Firaisankina ny HVM, ny Tim, ny APM, ny Tsara Tahafina ary ny Pro Siteny.
Synèse R.




