Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ny FFKM fa miroso ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena. Miditra amin’ny dingana manaraka amin’ny fidinana ifotony izy ireo izao.
Afaka andro vitsy sisa. « Hanomboka ny volana novambra sy desambra io ny fidinana ifotony amin’ny fampiofanana hataon’ny FFKM amin’ny alalan’ny Toko telo -Trio hiatrehana ny fikaonandoham-pirenena», hoy ny eo anivon’ny FFKM. Hiofana amin’izany ireo mpanamora sy mpitantsoratra ary ny ara-pitaovana « Toko telo – Trio », eny anivon’ny distrika miisa 114 mahery, manerana ny Nosy. Anisan’ ny asa sy andraikitra nankinina amin’izy ireo ny fanamorana ny fakan-kevitra eny anivon’ny fokontany. Hahafahan’ny rehetra maneho hevitra ankalalahana sy mandray anjara amin’izany, araka ny voalaza.
Efa nahavita ny fiofanana ny herinandro teo ireo « Trio » amin’ireo distrika filamatra miisa enina, ahitana an’i Mahajanga II, Manakara, Moramanga, Toliary I, Miarinarivo ary ny any amin’ny distrikan’i Sambava.
Nanentana hatrany ny olom-pirenena ny eo anivon’ny FFKM mba samy ho vonona hitondra ny sosokevitra rehetra amin’izany fikaonandoham-pirenena miainga eny ifotony izany. « Tanjona ny hanomezan’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka ny feony, miainga avy any amin’ny fototry ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny fokontany », hoy ny fanambaran’ny FFKM.
Fakan-kevitra eny amin’ny fokontany
Nolazain’izy ireo ihany fa ny hampandray anjara feno ny eny ifotony, miainga amin’ny fokontany rehetra sy ny faritra rehetra, no anisan’ny tena himasoana mba hahafahana manatanteraka ny fikaonandoham-pirenena handraisan’ny rehetra anjara.
Tsiahivina fa tokony ho efa nanomboka ny fiandohan’ny volana septrambra teo izao fanofanana eny anivon’ny distrika izao. Tokony ho natao ny 14 septambra ny fakan-kevitra eny anivon’ny fokontany ary ny 5 oktobra ny eny anivon’ny kaominina. « Mbola olana ny fampitaovana sy ny vola. Efa misy hatrany ny dinika hamahana izany », hoy ny loharanom-baovao.
Synèse R.





